- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vatakely feno torohevitra ho an'ireo Mpandika teny

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2018)

Ato amin'ity pejy ity, ataonay lisitra ireo fitaovana sy loharano maro maimaimpoana izay afaka ampiasain'ny vondrompiarahamonina Lingua ho an'ny Global Voices no sady ho an'ny fanatsaràna ny asan'ny tena ihany koa.

SEO & Fitaovan'ny Tambajotra Sosialy

Attracta: [1] manisika ny laharan'ny tranonkala any anatin'ireo milna fikarohana, tsara ho an'ireo tranonkala Lingua vaovao.

Rapportive [2] & Discover.ly [3] mba hamakivakiana ny tranonkala sosialy izay mifandray amin'ny imailaky ny olona iray.

twXplorer [4] & TweetDeck [5], izay fitaovana Twitter misintika ireo teny mifandraka amin'ireo valina fikarohana sy rohy malaza, ary afaka mandrakitra ireo valin'ny fikarohana ho an'ny fampiasana azy any aoriana.

Fametrahana dikanteny kely amin'ny lahatsary

Amara

Miaraka amin'ny Amara [6], afaka mandika sy manisy sary ny lahatsarinao amin'ny fomba tsotra ianao, miaraka amin'ny fanampian'ireo mpijerinao. Jereo ny torolalanay amin'ny Fampiasana ny Amara Mba Hametrahana dikanteny kely Amin'ny Lahatsary [7].

dotSUB

Miaraka amin'ny DotSub [8] afaka ataonao ny mijery lahatsary misy dikanteny amin'ny teninao, mampiakatra ny lahatsarinao, mamorona ireo dikanteninao manokana.

Fandikanteny

 

Tsiahin'ny fandikàna


Rakibolana sy voambolana manokana

Fitaovana hafa fandikanteny

Lohahevitra maro

Fitaovana hafa

Raha manana fitaovana misimisy kokoa ianao, mba lazao ao amin'ny fanehoankevitra izany!