(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2018)
Ato amin'ity pejy ity, ataonay lisitra ireo fitaovana sy loharano maro maimaimpoana izay afaka ampiasain'ny vondrompiarahamonina Lingua ho an'ny Global Voices no sady ho an'ny fanatsaràna ny asan'ny tena ihany koa.
SEO & Fitaovan'ny Tambajotra Sosialy
Attracta: manisika ny laharan'ny tranonkala any anatin'ireo milna fikarohana, tsara ho an'ireo tranonkala Lingua vaovao.
Rapportive & Discover.ly mba hamakivakiana ny tranonkala sosialy izay mifandray amin'ny imailaky ny olona iray.
twXplorer & TweetDeck, izay fitaovana Twitter misintika ireo teny mifandraka amin'ireo valina fikarohana sy rohy malaza, ary afaka mandrakitra ireo valin'ny fikarohana ho an'ny fampiasana azy any aoriana.
Fametrahana dikanteny kely amin'ny lahatsary
Amara
Miaraka amin'ny Amara, afaka mandika sy manisy sary ny lahatsarinao amin'ny fomba tsotra ianao, miaraka amin'ny fanampian'ireo mpijerinao. Jereo ny torolalanay amin'ny Fampiasana ny Amara Mba Hametrahana dikanteny kely Amin'ny Lahatsary.
dotSUB
Miaraka amin'ny DotSub afaka ataonao ny mijery lahatsary misy dikanteny amin'ny teninao, mampiakatra ny lahatsarinao, mamorona ireo dikanteninao manokana.
Fandikanteny
Tsiahin'ny fandikàna
- Transifex: Nanomboka toy ny sehatra fandikanteny ho an'ny tontolon'ny loharano misokatra, nitombo ka lasa sehatra sangany manerantany ny Transifex, amin'ny fijerena toerana amin'ireo vokatra rindrambaiko .
- Wordfast anywhere
- Lingotek
Rakibolana sy voambolana manokana
- Linguee Rakibolana sy Fitaovana Fikarohana Fandikanteny [de] [es] [en] [fr] [pt]
- Glosbe Ilay rakibolana an-tambajotra sy amin'ny fiteny maro
- Google Translate
- BabelXL
- Lexilogos
- Grammarly:Milaza aminao rehefa misy hadisoana amin'ny fitsipi-panoratana
Fitaovana hafa fandikanteny
- CrossCheck Fampiharana cloud maimaimpoana izay hijerena haingana ny kalitaon'ireo failon-dahatsoratra amin'ny fiteny roa.
Lohahevitra maro
- Lexilogos angona feno fitaovana ho an'ny fianarana ny fiteny manerana izao tontolo izao
- LabSpace fampianarana maimaimpoana eo ambany fitantanan'ny Open University any Royaume-Uni.
- OpenLearn Tranonkala anome fidirana malalaka amin'ireo fitaovana ilaina amin'ireo fampianarana ao amin'ny Open University
- EmailCollege fampianarana kely manome fampidirana lalina amin'ireo lohahevitra mahaliana, manome ny torohevitra farany indrindra ilaina sy vao haingana ary manome ireo fitaovana ilainao mba hahombiazana sy handroso.
- ALISON Manome fampianarana sy fampiofanana maimaimpoana sy iarahana mianatra ary tsy miankina mikasika ny multimedia.
- WeSpeke | Mianara sy manazàra tena maimaimpoana amin'ny fiteny maro.
Fitaovana hafa
- BlogTrottr Manome RSS maimaimpoana sy tolotra imailaka.
- Forvo.com Toerana tsara hijerena ireo famakianteny ataon'ireo tena mpampiasa azy.
Raha manana fitaovana misimisy kokoa ianao, mba lazao ao amin'ny fanehoankevitra izany!