- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Votoaty Lingua

Sokajy: Blaogim-Piarahamonina GV

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2018)

Manazava ny fotoana hahafahan'ny tranonkala Lingua iray mamoaka votoaty tokana sy ny politika mikasika izany ity pejy ity. Ny hampirotsahana kokoa ireo teny eny an-toerana ao anatin'ny sehatry ny haino aman-jerin'olontsotra sy ireo mpamaky no hevitra ambadik'izany. Mba jereo ny ambin'ireo Torolalana Lingua [1] an'ny Global Voices-ntsika.

Fampidirana

Nifantoka tamin'ny fandikana ireo lahatsoratry ny Global Voices foana ireo tranonkala lingua hatrizay, fa amin'ny fotoana sasantsasany, afaka manoratra votoaty hafakely, toy ny  fanambarana, ireo Tomponandraikitry ny Fanontàna Lahatsoratra ao amin'ny Lingua.

Tsy mila fanekena avy amin'ny mpanonta votoaty ireny lahatsoratra ireny. Toy izany koa, tsy mila adika amin'ny teny Anglisy, fa apetraka amin'ny fahendrean'ireo mpanonta votoaty.

Fanambarana

 

Manampy ny fifandraisana eo amin'ireo mpamaky sy ny mpandika teny ireo lahatsoratra tsy avy amin'ny fanontana ireo. Ohatra:

Raha ilaina, dia tsara raha manana dikanteny Anglisy isika ao amin'ny Blaogin'ny Vondrompiarahamonina [3]!

Fitsipiky ny Fanambarana

Rehefa mieritreritra ny hampiditra fanambarana ao amin'ny tranonkala Lingua ianao, iangaviana mba hametraka ireto fanontaniana ireto amin'ny tenanao:

1) Moa ve ity votoaty, torohay na fanambarana ity tena zava-dehibe ho an'ny tranonkala Lingua-nao irery tokoa? Tokony havoaka ao amin'ny tranonkala amin'ny teny Anglisy koa ve izany?

2) Mifanaraka amin'ny toetsaina mivelatra voizin'ny Manifesto an'ny Global Voices [4] ve ilay votoaty?

3) Mazava ve fa misy ifandraisana ary misolo tena ny tranonkala Lingua-nao manokana ilay fanambarana, ary tsy hoe misolo tena ny Global Voices manontolo izany?

Politika

 

Amin'ny tranga rehetra, tokony hifanerasera malalaka miaraka amin'ny Mpitantana ny Lingua mikasika ireo drafitra sy tetikasa ho an'ny vondrompiarahamonina ireo Mpitantana ny Fandikanteny mba hahafahana mandika sy mizara lavidavitra kokoa ireo vaovao.

Ny Toniandahatsoratra ao amin'ny Global Voices ihany no manana ny teny farany amin'ny mahamety ilay votoaty Lingua havoaka, miaraka amin'ny Mpitantana ny Lingua.