Fitaovana ilainao ampiasaina amin'ny onjampeo #1: Fanoratana ‘Script’ ho an'ny onjampeo

Radio workshop. Photo: MediaHelpingMedia

Atrikasa momba ny onjampeo. Sary: MediaHelpingMedia

Miarahaba ny rehetra!

Tamin'ny volana Febroary lasa teo, nandritra ny andro Iraisam-pirenena ho an'ny Onjampeo, ny mpikambana malalanay, Aparna nanontany hoe ahoana no fandehan'ny tetikasa GV Radio ao. Novaliako izy hoe “Fomba fahandro malefaka  no iketrehana ny tetikasa GV Radio, mba hahazoana ireo tsiro mafilotra indrindra. Mamelà anay hilaza fa eo am-panomanana sakafo tsara sy mafilotra izahay [Vindaloo]!, hoy aho taminy!”

Eny, manomboka maka endrika ny “vindaloo”! Ary mba hanatsaranay hatrany, mila ny fanampianareo rehetra izahay! Ndeha isika hifanampy, raikitra ve?

Efa nahare mikasika ny Media Helping Media (MHM) ve ianao?

Ny Media Helping Media (MHM) dia vovonana iray an-tambajotra fanofanana maimaimpoana momba ny asa fanaovan-gazety, miaraka amin'ireo fitaovana fototra mba hanampiana anao amin'ny fiaingàna. Manana fantina fanolorana tena ilaina ihany koa izy mba hanampiana anao amin'ny famoronana script radio tsotra na torolàlana fikiràna feo, ankoatra ireo fitaovana hafa mahaliana.

Ndeha hatombontsika amin'ireo tena fototra. Mialohan'ny hanombohana fandaharana amin'ny onjampeo, tsy maintsy manao  drafitra iray ianao ary manontany hoe karazana fandaharana toa inona no tianao ho vokarina. Na izany aza, ny karazana fandaharana izay vokarinao dia tsy maintsy mila ‘script’.

Topazo maso ity fampisehoana “Fanoratana Script an'ny Onjampeo” ity, nataon'i David Brewer, mpanorina ny MHM, mety hanampy anao izy amin'ny fanombohana!

Ao anatin'ity fampisehoana ity, hianaranao ireo zotra fototra mba hamoronana script iray ho an'ny fandaharana amin'ny onjampeo:

Raha toa ianao manana fanontaniana, fanehoankevitra na maniry hametraka zavatra tsara mba hanampiana ny GV Radio an'ny vondrom-piarahamoninay, hampiroborobo ireo traikefany amin'ny onjampeo, mametraha fanehoankevitra iray na mandefasa imailaka iray azafady:)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.