Inona no nitranga tao anatin'ny #FihaonanaGV tao Accra?

B2gO4r9IgAAP77-

Ireo mpandray anjara tamin'ny  fihaonana GV tao Accra

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2015)

Mitombo haingana be ny fisandratana sy ny fidiran'ireo media sosialy tao Ghana. Vokatr'izay, nanomana fihaonana Global Voices voalohany indrindra ireo GVers tao Accra – #GVmeetup tao Accra tamin'ny 15 Novambra 2015. Fihaonana niarahana nanomana tamin'ny iSpace  – foibe ara-teknolojika iray ao Ghana, fitàrana hetsika santatra iray nahomby izay mamolavola an'ireo startups mirona ara-teknolojika miaraka amina toerana iray  fiarahamiasa, toerana iray famoriana vondrom-piarahamonina sy tambajotra iray natao hitondra ho amin'ny fahombiazan'iny fandraharahàna.

Vovonana tena sahaza io mba hampisehoana ny Global Voices amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpanao gazety, blaogera ary manampahaizana manokana amin'ny serasera ao Accra. Ireto avy ireo asa natao nandritra ny hetsika:

  • Fanolorana fijery iray amin'ny asa izay iandraiketanay ato anatin'ny Global Voices, anisan'izany ny Rising VoicesGlobal Voices Advocacy sy ny Lingua;
  • Fizaràna ireo fomba izay hahafahan'ny vondrom-piarahamonina midadasika kokoa manomboka miaraka amin'ny Global Voices;
  • Fiasàna amin'ny tambajotra hahafahan'ireo mpandray anjara mifampizara torohay mikasika ny tetikasa nomerika na ny hevitr'izy ireo manokana mikasika ny tetikasa, ary
  • Ny fomba hamotopotorana ireo vaovao ao amin'ny media sosialy.

Nanolotra ny tenany tsirairay ireo mpandray anjara ary nampiseho an'ireo tetikasa isan-karazany izay niandraiketan'izy ireo, ary koa ny zavatra andrasan'izy ireo amin'ilay fihaonana. I Jeanne Clark (@JeanneC_IO ), Talen'ny Serasera ao amin'ny Ambasadin'i Etazonia ao Ghana, no anisan'ireo mpandray anjara nanatrika ilay fihaonana, hoy izy nibitsika hoe:

Faly fa tonga indray eto amin'ny @iSpaceGh ho an'ny #GVMeetup mba hahalala bebe kokoa mikasika ny @globalvoices

— Jeanne Clark (@JeanneC_IO) November 15, 2014

Ny lohahevitra nafàna tamin'ny adihevitra taorian'ny fampidirana mikasika izay ataon'ny Global Voices sy ny fomba hahazoana manjohy azy dia ny hoe “ahoana no hamotopotorana ireo vaovao ao amin'ny media sosialy?” Nizara fomba fijery samihafa ireo mpandray anjara, mikasika ny fomba hanamarinana ireo vaovao vokarin'ireo olontsotra  mpanao gazety mampiasa ireo media vaovao:

Ilaina ny fandalinana ny fihetsehampo mba  hamotopotorana ireo vaovao ao amin'ny media sosialy, hoy ny nambaran'ny mpandray anjara iray! #GVMeetUp #Ghana #Contributor pic.twitter.com/sDD7xBASuF — Cecil A.K Dadzie (@ghanabakwamena) November 15, 2014

Nibitsika ny traikefan'i Jeanne Clarks (@JeanneC_IO) i Cecil Dadzie (@ghanabakwamena):

Mizara traikefa iray i @JeanneC_IO … Nisy ireo vaovao diso momba ny @USEmbassyGhana nampiato ny dingana fanomezana VISA, izay DISO! #GVMeetUp

— Cecil A.K Dadzie (@ghanabakwamena) November 15, 2014

Nifarana niaraka tamina fotoana iray nametrahana tambajotra sy ireo fiarahamiasa teo amin'ny samy mpandray anjara ilay fihaonana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.