Translator Newsletter: Atidoha mahay fiteny roa, Fahatakarana Manerantany sy tantara hafa!

gvlogoArahabaina nahatratra ny taona!

Tongasoa eto amin'ny “translator newsletter” taona 2016! Manantena aho fa mahafinaritra ny fanombohanao ity taona ity ary vonona hiresaka momba ny….

Anglisy sy ny aterineto

Screenshot taken from http://www.techinsider.io/

Pikantsary nalaina tao amin'ny http://www.techinsider.io/

Mbola fiteny manerantany amin'ny aterineto ve ny teny Anglisy? Tech Insider milaza fa izany tokoa … hatramin'izao. Araka ity lahatsoratra ity, maherin'ny antsasaky ny ao amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao no amin'ny teny Anglisy, saingy mety hihena izany isan-jato izany amin'ny ho avy. Inona no fiteny eritreretinao hanjaka amin'ny taona ho avy? Vakio ary zarao ny eritreritrao!

Manao izany amin'ny maha-mpandika teny

Screenshot taken from thoughtsontranslation.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny thoughtsontranslation.com

Amin'ny maha-mpandika teny mahaleotena, matetika misy ny fotoana izay itobahan'ny tetikasa ao am-baravaranao raha mitolona mafy mba hahita asa ahazoam-bola kosa ny hafa. Ao amin'ny lahatsorany ao amin'ny blaogy Thoughts on Translation mitondra ny lohateny hoe, “Mihoatra fety na ny mosary“, mizara fomba izay azontsika ampiasaina mba handinihana mialoha ho fisorohana ireo toe-javatra tsy misy-na na inona na inona sy handamina ny fizotran'ny asantsika amin'ny maha mpandika teny i Dorothee Racette.

Tombony amin'ny fananana atidoha mahay fiteny roa

Screenshot taken from http://www.bbc.co.uk/

Pikantsary nalaina tao amin'ny http://www.bbc.co.uk/

Fantatsika amin'izao fotoana izao fa tena mahasoa ny miteny mihoatra ny fiteny iray. Ho fahafinaretanao, dia nanangona lahatsary fohy ny BBC iresahana momba ny halehiben'izany fahaizana izany ho an'ny atidohantsika, indrindra fa amin'ny fahanterana. Jereo ary lazao anay izay eritreritrareo!

Milina sahirana amin'ny fandikan-teny

Screenshot taken from www.npr.org

Pikantsary nalaina tao amin'ny from www.npr.org

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana izany hoe mpandika teny manerantany? Milina izay afaka mandika ny fiten'ny olombelona tsirairay avy? Araka ny filazan'ny All Tech Considered an'ny NPR, dia tena mahavariana tokoa fa eo am-panaovana izany ny Microsoft. Ao amin'ny lahatsorany antsoina hoe, “Milina, Very amin'ny fandikan-teny: Ny Nofin'ny fahatakarana manerantany“, mifantoka betsaka amin'ny antsoina hoe “ny fomban'ny tambajotran'ny selan-koza-mampita (neurone)” izy ireo, izay manazatra ny milina mba haka tahaka ny fomba fihevitry ny olona.” Toy ny zavatra avy amin'ny ho avy izany, saingy mety ho ny zava-misy iainantsika ve?

—————

Toy ny mahazatra, misaotra anareo rehetra noho ny asa mafy ataonareo sy ny fanoloran-tenanareo ho an'ny GV! Raha manana fanontaniana, fanehoan-kevitra na hevitra ianao, dia aza misalasala mandefa mailaka ao amin'ny marianna@globalvoices.org.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.