- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Abidjan Blog Camps

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Jereo amin'ny sarintany lehibe kokoa Abidjan Blog Camps [1]

Teny fampidirana:

logoretenu-copie3

Iray amin'ireo bilaogera malaza hatry ny ela ao Afrika mpiteny Frantsay i Théophile Kouamouo. Monina ao Abidjan, Côte d'Ivoire [2], iray amin'ireo mpanorina Tambajotran'ny Bilaogy Ivoiriana [3] i Kouamouo ary namerina nandefa indray ny sary-sy-soratra nahomby hoe ” Fa maninona aho no mibilaogy momba an'i Afrika [4]“. (Namintina ireo valinteny maro azo tao amin'ny andiana lahatsoratra mizara roa [5] ao amin'ny Global Voices i Elia Varela.) Mikasa ny hamory ny mpiray tanindrazana aminy ho eo amin'ny tontolon'ny bilaogy i Kouamouo amin'ny alalan'ny fikarakarana andiana ” blog camps” manodidina ny Abidjan, ka ahafahanireo bilaogera Ivoariana amin'izao fotoana mba iresaka ireo lohahevitra mahakasika azy ireo ary hampiseho an'ireo bilaogera vaovao ny fomba ahafahana manatevin-daharana.

Mbola nanolotra ny heviny tao amin'ny bilaoginy aloha i Kouamouo tamin'ny aogositra tamin'ny herintaona, izay nahasarika fanehoan-kevitra mafana fo betsaka. Manana tantara lava amin'ny fisintonana olom-pirenena vaovao ho ao amin'ny tambajotra iombonana ireo Blog Camps. Maro amin'ireo Blog Camps no natao tany India, indrindra tany Chennai tamin'ny taona 2006 [6] ary, vao haingana tany Mumbai [7]. Nahasarika mpandray anjara betsaka vaovao ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Rosiana ny Blogcamp CEE [8] tamin'ny volana oktobra 2008. Na izany aza, tavela lavitry ny tontolon'ny bilaogy manerantany i Afrika  Andrefana ( indrindra any Afrika Andrefana miteny frantsay). Nanomboka niova anefa izany. Nanambara ireo mpandresy amin'ny Loka Waxal famahanam-bilaogy an'i Afrika [9] ny Panos West, izay miara-miasa amin'ny Highway Africa sy Global Voices. Amin'ny herintaona, betsaka amin'ireo Ivoariana no ho tafiditra anaty lisitra araka ny fanomanan'i Théophile Kouamouo ireo andian-danonana ampolony raha tsy an-jatony ho ao amin'ny tontolon'ny Bilaogy. Hampiroborobo ny fifandraisana misy eo amin'ny serasera afrikana amin'ny alàlan'ny fifandraisana amin'ny hetsika blog camp any Madagasikara [10], Kenya [11], Oganda [12], Maorisy [13] ary Afrika Atsimo [14] koa ny Abidjan Blog Camps.

Hafatra farany momba ny Abidjan Blog Camps

[18]
[19]

Abidjan Blog Camps: Free Théophile Kouamouo [19]

15 Jolay 2010
[20]

Abidjan Blog Camps: For An Union Of Online Content Producers in Ivory Coast [20]

17 Avrily 2010
[21]

Abidjan Blog Camps: Cocoa, Avenue Afrique And Abidjan Barcamp [21]

22 Febroary 2010
[22]

Abidjan Blog Camps: Alloco Bloggers Party In Ivory Coast [22]

13 Janoary 2010
[23]

Abidjan Blog Camps: Second Workshop Completed [23]

18 Novambra 2009
[24]

Blog Action Day 2009: Rising Voices Projects Discuss Climate Change [24]

15 Oktobra 2009
[25]

Abidjan Blog Camps: The First Workshop [25]

30 Septambra 2009

Torohay:

Blaogy Mpandray anjara:

Ho avy tsy ho ela!