Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Kirin'ny lehilahy iray hianika ireo tendron-kavoana 14 avo indrindra ao anatin'ny 7 volana hanamontsanana ny zavabita tsara indrindra

Eo ampanatanterahana iraka hiantsika ny tendro 14 avo indrindra mihoatra ny 8000 metatra ao anatin'ny fito volana i Nirmal Purja, fantatra kokoa amin'ny hoe Nims. Sary avy amin'ny pejy Facebook tetikasa azo tanterahana. Nahazoana alalana.

Nirmal Purja MBE, fantatra kokoa amin'ny hoe Nims, no eo am-panatontosana ny fianihana ireo ‘eight-thousanders’ (tendron-kavoana 14 mihoatra ny 8000 metatra) ao anatin'ny fito volana ho fanamontsanana ny zavabita tsara indrindra. Amin'ny maha-zanakalahin'ny Indiana Gurkha misotro ronono azy, dia nanatevin-daharana ny borigadin'ny Gurkhas koa i Nims ary nanao fanompoana tao amin'ny Tafika Manokana sangany britanika. Niroboka tao amin'ny fianihan-tendrombohitra izy rehefa nandao ny tafika ary tsy ampy efatra herinandro no nianihany ny enina amin'ireo tendro avo indrindra manerantany. Eny fa na dia mihamaro aza ireo mpianika no mandoa ny sara avo sy milahatra mba hahatratra ny tendron'i Everest — araka izay porofoin'ny sary nalaza haingana dia haingana nopihan'i Nims teo amin'ny tendro avo indrindra manerantany – dia tsy ampy tohana ara-bola ilay mpianika hanombohany ny dingana faharoa amin'ny Project Possible mission [iraka Tetikasa azo tanterahana]

Niezaka nanatona an'i Nims i Sanjib Chaudhary avy amin'ny Global Voices ary niresaka amin'izay antony nitarika azy handray ity fanambin'ny fianihana haingana dia haingana ity:

Global Voices (GV): Inona no nahatonga anao hanao ity fanambin'ny tetikasa azo tanterahana [Project Possible] ity? Lazalazao anay ny momba ny tetikasanao.

Nirmal Purja (NP): There are only 14 mountains on earth higher than 8,000m (Eight-thousander) and they are all located in the Himalayas. The current world record for one individual climbing all 14 peaks is nearly 8 years. I aim to climb all 14 peaks in just 7 months. For me, this project is about pushing myself to see what is possible within human endurance. How far can humans go, can we go beyond what others think is possible?

Nirmal Purja (NP): 14 monja eto ambonin'ny tany ny tendron-kavoana avo noho ny 8000 metatra ary samy miorina ao Himalayas avokoa ireo rehetra ireo. Efa ho valo taona ny zavabitan'olona iray tsara indrindra amin'ny fianihana ireo tendro 14 ireo. Kendreko ny hianika ireo tendro 14 ireo ao anatin'ny 7 volana monja. Ho ahy ity tetikasa ity dia fanosehana ny tenako hijery izay azo tanterahan'ny fahazakan'olombelona. Hatraiza ny vitan'olombelona, afaka mihoatra izay heverin'ny hafa ho azo tanterahana ve isika?

GV: Nahatontosa tendro enina ianao tao anatin'ny efatra herinandro. Amin'ireo tendro enina ireo, iza no sarotra nianihana indrindra ary nahoana?

NP: Without doubt that would be Dhaulagiri due to the weather. We were climbing in winds in excess of 70-75 mph. We could only climb when the wind speed decreased for a bit and when it went up again we would embrace because we couldn’t move and if we did, we would have blown away.

NP: Tsy isalasalana fa i Dhaulagiri no sarotra indrindra noho ny toetrandro. Nianika tao anatin'ny rivotra tafahoatra any amin'ny 70-75 mph izahay. Rehefa mihena kely ihany ny fifofofofoan'ny rivotra vao afa-mianika izahay ary rehefa mihamafy indray dia mifikitra satria tsy afa-mihetsika izahay fa raha vao manao izany dia faohiny any.

GV: Maro no miteny fa ambonin'ny Camp 4 ao Everest, ary amin'ireo eight-thousanders hafa, tsy misy miraharaha ireo mpianika hafa izany. Manify ny rivotra, ary mitsoka mafy ny tafiotra, ary amin'ny faratampony ny hafanana-hatsiaka. Inona no ataonao raha misy olona mila fanampiana raha an-dalana hanatratra ny tendro ianao?

NP: What would I do or what did I do? In 2016, during the descent from summiting Everest, I rescued a female climber who had been left for dead just below the Balcony at 8,380 m. I brought her down on my own and handed her care over to the Everest Air Rescue Team at the South Col. I would do the same every time.

NP: Inona no ataoko na inona no efa nataoko? tamin'ny taona 2016, nandritra ny fidinana ny Everest, nanavotra vehivavy mpianika iray navela ho faty aho, teo ambany Lavarangana tany amin'ny 8380m. Izaho no nitondra azy nidina ary nanolotra azy hokarakarain'ny Ekipam-panavotana an'habakabaka Everest tao Col Atsimo. Hanao toy izany hatrany aho.

GV: Efa nianika tendrombohitra ianao taloha. Nahita fahasamihafana ve ianao tamin'ny fianihana ireo tendro tamin'ity indray mitoraka ity? Nahamarika vokatry ny fikorontanan'ny toetrandro hita maso ve ianao tany an-tendrombohitra?

NP: I have climbed some of those phase mountains before and I did see changes. A lot less snow, glacier melting. It is a pretty stark and obvious change. We had to carry water where we previously melted snow.

NP: Efa nianika ny sasantsasany amin'ireo tendrombohitra ireo aha taloha ary nahita ny fiovana. Mihavitsy ny orampanala, mifangaro ny ranomandry. Fiovana henjakenjana sy miharihary. Tsy maintsy mitondra rano izahay nefa taloha ny ranomandry no natsonika.

GV: Ahoana indray ary ny planinanao manaraka? Rahoviana ary ny tendro iza no kasainao hiakarana? Manao ahoana ny resaka famatsiambola? Inona no mahatonga anao mbola mazoto?

NP: Phase two is delayed for around two more weeks while I get funding and I am currently £150k short. I am motivated as much now as I have ever been, my mind is still positive. I get so much inspiration and motivation from my followers on Instagram and Twitter that drives me.

NP: Nihemotra tapabolana ny dingana faharoa rehefa mahazo vatsy aho ary mbola tsy ampy £150k izany izao. Mbola mazoto be tsy misy toy izany aho amin'izao fotoana izao. Mbola miabo hatrany ny saiko. Mahazo aingam-panahy sy fandrisihana maro avy amin'ny mpanjohy ahy ao amin'ny Instagram sy Twitter izay mitarika ahy aho.

GV: Aorian'ny fahatontosan'ny tetikasa inona indray no mety tarataratra ho anao? Inona indray ny fikasanao manaraka?

NP: For now, I am 100% focused on Project Possible. After — who knows? All I know is I want to continue raising money for the charities I am working with.

Amin'izao fotoana izao aho aloha mifantoka 100% amin'ny Tetikasa azo tanterahana. Aorian'izany — iza no mahalala? Ny hany fantatro dia mbola te-hanangombola ho an'ireo mpanao fiantrana iarahako miasa aho

GV: Farany, tsy asa mora izany mianika eight-thousanders izany ho an'olona tsotra. Inona no ilaina hianihana tendrombohitra? Efa misy fototarazo manokana ve, fanazarana sa herim-paniriana? Inona no torohevitrao ho an'olona iray te-ho mpianika?

NP: You need to have both physical and mental endurance to climb any mountain, especially eight-thousanders. I believe I have a good physiology developed from being born and raised at high altitudes. I also have the mental approach from my years in the Special Forces. This combination gives me a unique skill set. Take your time, climb 5000, 6000, 7000 meter peaks, learn how your body reacts to altitude. Take it slow, build your experience and enjoy the journey. Don’t rush for an 8000 meter peak.

Mila manana faharetana ara-toebatana sy ara-toetsaina ianao rehefa hianika tendrombohitra, indrindra ireo mihoatra ny valo arivo metatra. Mihevitra aho fa manana ny toebatana tsara avy amin'ny nahaterahako sy nanabeazana ahy tany amin'ny faritra avo. Manana ilay toetsaina avy amin'ny taona maro naha-tao amin'ny Tafika Manokana ahy ihany koa aho. Ireo fiarahana ireo no manome talenta manokana ahy. Makà fotoana, ireo tendro 5000, 6000, 7000 metatra no ianiho, dia fantaro hoe ahoana ny hamalian'ny vatanao rehefa mihamiakatra avo ianao. Ataovy tsimoramora, rafeto ny fahazaranao ary ankafizo ilay dia. Aza maika hihazakazaka mankany amin'ny tendro 8000 metatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.