Translator Newsletter: Lisitra maro, fikatrohana amin'ny fandikan-teny sy ny maro hafa!

(Lahatsoratra tamin'ny avrily 2016)
GVlingua

Miarahaba ny rehetra ato amin'ny GV!

Tongasoa indray amin'ity fizarana taratasim-baovaon'ny mpandika teny ity! Androany isika hiresaka momba ny…

Milina Fandikan-teny eo amin'ny fiainanao

Image from pixabay.com

Sary avy amin'ny pixabay.com

Fantatro, fantatro. Nandritra izay fotoana manontolo nandrenesako ny momba ny milina fandikan-teny izay, fa manana anjara toerana lehibe amin'ny asantsika amin'ny maha-mpandika teny tokoa ve io? Spence Green, mpiara-manorina ny ofLilt, mpanolotra rafitra fandikan-teny miresaka, mamakafaka ity lohahevitra ity ao amin'ny bilaogy “The Language of Translation” tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Nahoana no tokony hanana anjara toerana eo amin'ny fiainanao ny milina fandikan-teny?”

 

Inona NO TSY fandikan-teny?

Screenshot taken from www.business2community.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny www.business2community.com

Amin'ny taonina ireo hevi-diso momba ny indostrian'ny fandikan-teny miely any ho any — sehatra efa ho faty io, fifanakalozan-kevitra fotsiny, ary maro lavitra noho izany. Nandray ny raharaha ry zalahy ao amin'ny Business 2 Community ary nanangana lisitra antsoina hoe “Zavatra 11 maha-tsy izy ny Fandikan-teny” mba hanesorana ireo anganongano faheno mahazatra amin'ny fandikanteny. Topazo maso ao hoe dia lazao anay raha misy zavatra azonao ampiana!

Voanteny tsy mety adika

Screenshot taken from www.lifehack.org

Pikantsary avy amin'ny  www.lifehack.org

Amin'ny maha-mpandika teny, natao hihoatra ireo karazan-tsakatsakana ara-piteny ny asantsika sy mampiely ny vaovao avy amin'ny fiteny iray mankany amin'ny iray hafa. Na dia ny tsara indrindra amin'ny tsara indrindra amintsika aza mety ho tanfintohina ihany amin'ny voambolana tsy mety adika. Samy manana fomba namolavola sy mahatonga azy ho tsy manam-paharoa azy ny kolontsaina tsirairay. Natambatry ny Lifehack anaty lisitra ny sasany amin'ireo teny ary namorona fandravahana mahafinaritra miisa 14 ny mpanakanto Marija Tiurina ampiarahana amin'izany lisitra izany. Mahafantatra ny iray amin'ireto teny ireto ve ianao? Manana ny anao manokana ve ianao? Lazao anay!

Manavotra aina ny fandikanteny

Screenshot taken from http://www.responsivetranslation.com/

Pikantsary avy amin'ny http://www.responsivetranslation.com/

Efa nieritreritra ve ianao hoe ahoana no ahafahan'ny fandikan-teny manatsara ny fiainan'ny olona an'arivony? Araka ny voalazan'ity lahatsoratra ity mitondra ny lohateny hoe “Ahoana ny fomba hanatsaran'ny fandikan-teny ny fahaiza-mamaky (teny) ny fahasalamana sy mampihena fandaniana amin'ny fikarakaram-pahasalamana“, dia mahazo tombony lehibe amin'ny fahazoana torohay ara-pahasalamana ny mpifindramonina sy ireo voafetra ihany ny fahaizana teny anglisy raha mamaky izany amin'ny fiteny azony kokoa ry zareo. Vakio ny mianatra ny fomba ahafahan'ny fandikanteny ny torohay ara-pahasalamana amin'ny teny hafa ankoatra ny teny Anglisy manampy olona hanana fiainana tsaratsara kokoa!

Ho an'ny New Yorkers

Screenshot taken from http://worldvoices.pen.org/

pikantsary avy amin'ny http://worldvoices.pen.org/

Raha teto amin'ity tanànan'i New York taloha tsara ity ianao amin'ny 28 Aprily 2016, tongava aty amiko amin'ity tranonkala lehibe antsoina hoe Translating Activism: Ayotzinapa & Beyond ao amin'ny Fetiben'ny World Voices PEN ity. Ny ampahany tsara indrindra dia maimaimpoana 100% ny manatrika izany!

—————

Toy ny mahazatra, misaotra anareo rehetra noho ny asa mafy ataonareo sy ny fanoloran-tenanareo ho an'ny GV! Raha manana fanontaniana, fanehoan-kevitra na hevitra ianao, dia tsidiho azafady amin'ny mailaka marianna@globalvoices.org.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.