Translator Newsletter: Fivoaran'ny fiteny, Ny Polyglotte (mpahay teny maro) tanora indrindra ary tantara maro hafa!
Miarahaba!
Tongasoa eto amin'ity fizarana Translator Newsletter ity! Androany isika dia hiresaka momba ny…
Fivoaran'ny teny Anglisy

Pikantsary nalaina tao amin'ny http://www.npr.org/
Zava-misy malaza ny hoe miova miaraka amin'ny fotoana ny fiteny. Saingy raha mbola miova ny hevitry ny teny sy ny fomba ampiasantsika azy ireo, moa ve tsy hiafara amin'ny fiteny vaovao tanteraka isika? Ity no fanontaniana noresahan'i John McWorther, mpahay teny ao amin'ny Oniversite Columbia, tamin'ny bokiny, Teny Miova: Nahoana ny Anglisy no tsy Miova – Ary Tsy Afaka hiova – fa Mitoetra hatrany (Tahaka ny ara-bakiteny). Niresaka tamin'ny NPR tamin'ny fiandohan'ity volana ity mikasika ny bokiny sy ny fomba nivoaran'ny fiteny Anglisy nandritra ny fotoana i McWorther. Vakio ary henoy ato ny resadresaka nataony!
Tanora indrindra mpahay teny maro

Pikantsary nalaina tao amin'ny http://ideas.ted.com/
Nanomboka ny diany momba ny fiteny teo amin'ny faha-13 taonany i Timothy Doner ary afaka miteny fiteny 20 samihafa izy ankehitriny. Ahoana no nahatonga izany fitiavana ny teny sy ny fahatakarana izany? Misy zavatra hafa ve ny fiteny mihoatra noho ny hoe afaka manafatra sakafo amin'ny trano fisakafoanana? (Heveriko fa afaka miteny ENY lehibe isika rehetra amin'izany.) Fantaro bebe kokoa ny momba ny tantaran'i Timothy ao amin'ity lahatsoratra mahafinaritra izay nosoratany ho an'ny TED mitondra ny lohateny hoe “Nahoana aho no nampianatra fiteny 20 tamin'ny tenako- ary inona ny zavatra nianarako momba ny tenako tao anatin'izany.”
Tatitra momba ny tsenan'ny rindrambaiko amin'ny fandikan-teny

Pikantsary nalaina tao amin'ny https://www.whatech.com
Raha mpandika teny matihanina mahaleotena ianao, toy ny ankamaroantsika ato amin'ny vondrom-piarahamonina GV, dia mety ho liana amin'ny famakiana ny tatitra momba ny Tsenan'ny Rindrambaiko amin'ny Fandikanteny Manerantany 2016. Araka ny filazan'ny Whatech.com hoe “manome fomba fijery fototra momba ny indostria ny tatitra, ka anisan'izany ny famaritana, ny fanasokajiana, ny fampiharana ary ny rafitry ny sehatry ny indostria.” Mifantoka indrindra amin'ny indostrian'ny fandikan-teny any Etazonia, Eorôpa, Japana ary Shina izany.
Ny tantara fohy be mpandika indrindra

Pikantsary nalaina tao amin'ny http://qz.com/
Efa nanontany tena izay tantara fohy be mpandika indrindra ve? Fantatra fa ilay angano Afrikana nosoratan'i Ngugi wa Thiong'o antsoina hoe “Ny Revolisiona Mijoro: Na Nahoana ny Olombelona no Mandeha Mjoro” izany. Hatramin'izao dia efa voadika tamin'ny fiteny 54 izany! Vakio ato ny momba izany.
Sary-sy-soratry ny herinandro

Pikantsary nalaina tao amin'ny someecards sy Facebook.
—————
Toy ny mahazatra, misaotra anareo rehetra noho ny asa mafy ataonareo sy ny fanoloran-tenanareo ho an'ny GV! Raha manana fanontaniana, fanehoan-kevitra na hevitra ianao, dia mandefasa mailaka ao amin'ny marianna@globalvoices.org.
Raha sambany mamaky ity gazety ity ianao ary te-hiaraka amin'ny Global Voices, dia lazao anay bebe kokoa ato ny momba anao!
Ny Blaogim-Piarahamonina Global Voices dia sehatra ho an-ny mpikambana ato aminay hifampizarana ala hamohamo, tantara manokana. Natao ihany koa hieritreretana ny asa iarahana, hifampizarana hevitra sy fijery amin'ny sehatra misy anay. · Lahatsoratra rehetra