Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Feon'ny tanora avy ao Bandim Sy Enterramento

Bissau, Guinea-Bissau – Nanatevin-daharana ny Rising Voices tamin'ny taona 2011

BissauNametraka fifandraisana matanjaka tamin'ny tanora manodidina an'i Bandim sy Enterramento, tanàna itatry ny renivohitra Bissau, ny Associação Amigos das Crianças (Fikambanana sakaizan'ny ankizy) ao amin'ny firenena afrikana andrefana iray antsoina hoe Guinea-Bissau. Araka ny ambaran'ny AMIC, miatrika zava-tsarotra ny mponina eny amin'iny vondrom-piarahamonina iny, toy ny tsy fahampian'ny rano fisotro madio, ny faharefoan'ny rafitra fanadiovana, ny faharatsian'ny fotodrafitr'asa fanabeazana ary ny fahavitsian'ny toerana azo antoka hilalaovan'ny kilonga.

Na izany aza, misy herintsaim-pamoronana matanjaka sy fanehoana ara-javakantomatanjaka ihany koa eny noho ny asan'ny AMIC, miaraka amin'ny vondrona ara-kolontsaina ao an-toerana antsoina hoe “Cultural Netos de Bandim“. Miaraka ry zareo manolotra karazan-ketsika arakolontsaina toy ny atrikasan-javakanto, dihy sy tantara tsangana ho fomba ahafahan'ny tanora ao amin'ny manodidina mirotsaka. Eo ambany fitarihan'i Ector Diogenes Cassamá, mpanakanto sady mpikatroka ao an-toerana, nanampy fahaiza-mitantara ho ao amin'ny tolotra ara-kolontsaina ho an'ireo tanora eo amin'ny manodidina ny AMIC.

Nampianatra an'ireo tanora tamin'ny manodidina ireo tanàna roa ireo ny fomba fampiasana sary sy lahatsary nomerika handraketana ny fiainana eo amin'ny vondrom-piarahamonina manodidina ny tetikasa. Na dia tsy mifanakaiky aza ireo tanàna roa ao Bandim sy Enterramento ireo, ahafahan'ny tanora mifandray sy mianatra momba ny tanora any amin'ny faritra hafa ao Bissau ny tetikasa. Nanjary nahafantatra kokoa ny tantaran'ny manodidina ny tanora tamin'ny alalan'ny fanavatsavàna sy fiantsafàna tamin'ireo mpiray monina amin-dry zareo. Hitan'ny tanora ihany koa ny fanamby atrehin'ny manodidina an-dry zareo sy ny fomba andraisany anjara amin'ny famolavolana ny hoaviny.

Jereo ao amin'ny tranonkala ireto:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.