Ny raharaha Ivan Golonouv : Fotoana fohy firaisankina sy firohotana tao amin'i Rosia an’i Potinina

Ivan Golunov, ilay mpitati-baovao mpanao fanadihadiana avy ao amin'ny Meduza, nosamborina ny 6 Jona ary navotsotra ny 11 Jona tsy nisy fiampangana taorian'ny fahatezeram-bahoaka // Evgeny Feldman ho an’ny Meduza, nampiasana lisansa CC BY 4.0

Nanatontosa hetsika haingana tamin’ny alàlan'ny fanombohana ny fikarakarana fanentanana sy ny fanehoana ny firaisankinan’ny tsirairay, izay mbola tsy fahita teo aloha tao anatin'ny 20 taona nanjakan’i Vladmir Potinina tamin’ny politika Rosiana ny fiarahamonimpirenena Rosiana sy ireo fampitam-baovao tsy miankina raha tohina tamin’ny fisamborana ilay mpanao gazety mpanao fanadihadiana malaza, Ivan Golunov ny 6 Jona teo. Nitarika ny famotsorana an’i Golunov tamin’ny 11 Jona ity fihetsiketsehana lehibe nanehoana ny hatezerana ity, niaraka tamin’ny fanahian'i Kremlin momba ny fihenan-danjan'ny lazan'i Potinina. Nokasaina natao tamin'ny herinandro lasa teo tany Moskoa ny hetsika hafa avy amin'ny vahoaka mba hitakiana ny sazy ho an'ireo olona izay voakasika tamin’ny fisamborana an’i Golunov ary mba hisorohana ny hitrangan'ny raharaha fiampangana namboarimboarina vaovao hafa atao amin'ireo mpitsikera ny governemanta Rosiana.

Iray tamin’ireo fampisehoana vao haingana indrindra sy lava indrindra tamin'ny fanohanan'ny vahoaka ny fanomanana ny ‘’Studio selfie’’ teny an-dalamben'ny Petrovka 38 ao afovoan’i Moskoa izay manoloana ny foiben’ny polisy ao an-tanandehiben’i Moskoa. Niandry ora maromaro ny olona mba haka sary tao amin’io toerana io mba ho firaisankina miaraka amin’i Golunov nandritra ny andro maromaro teo anelanelan’ny 7 sy 11 Jona.

Petrovka, 38, izao dia izao.

Nilaza tao anatin’ity lahatsary fohy ity ny mpisera Twitter iray tonga tany an-toerana tamin’ny 7 Jona fa olona maherin’ny 110 no nisainy tao anatin’ny fiandrasana ny filaharana haka ny sary selfie ao amin'ny Petrovka 38. Nampiasainy ilay teny hoe ‘’fihetsiketsehana olo-tokana’’ izay hany endrika fihetsiketseham-bahoaka tsy mitaky ny fahazoan-dalana avy amin'ny manampahefana any Rosia.

Olona miisa 100 teo ho eo no nisaiko tamin’ny filaharana ho an’ny ‘’fihetsiketsehana olo-tokana’’ raha mbola naka ny sarin'ity lahatsary ity aho tao amin’ny #Petrovka 38 . Nisy olona miisa 110 teo ho eo teo rehefa nahavita aho. Nanao fihetsiketsehana manohitra ny fisamborana mampiahiahy an’ilay mpanao gazety #Ivan Golunov ny olona.

Natao nanerana an’i Rosia ny fakana sary selfie tahaka izany ary nalefa an-tserasera ho mariky ny firaisankina. Nahangona sonia maherin’ny 180.000 ihany koa ny fomba nentim-paharazana hafa toy ny fanangonan-tsonia anaty Aterineto toy ilay nalefa tao amin’ny www.change.org.

Na izany aza, nisy fiovana tsy nampoizina sy nahatsikaiky ny fanentanana, toy ny tranga tao amin’ny trano fisakafoanana iray tao an-tanandehiben’i Yekaterinburg ao Rosia afovoany izay nanome labiera maimaimpoana ho an’ireo mpanjifa rehetra nitafy T-shirt misy ny hafatra malaza hoe “Samy Ivan Golonuv Izaho sy Isika”.

Nampanantena labiera iray maimaim-poana ho an’ireo rehetra tonga ka manao T-shirt “Samy Ivan Golonuv Izaho sy Ianao” ny trano fisakafoanana Ogoniok ao Yekaterinburg.

Nomen'ny fampahalalam-baovao sy ireo olo malaza sasantsasany akony ihany koa ity firaisankina ity. Tamin’ny 6 Jona, telo tamin’ireo gazety lehibe sy tsy miankina, toa ny Vedomosti, RBC ary Kommersant no nanaiky handefa io hafatra malaza io niaraka tamin'ny endrika mitovy tanteraka izay nahitana indray zavatra tsy mbola fahita teo aloha raha ny firaisankinan’ny fampahalalam-baovao ao Rosia nandritra ny nitondran'i Potinina no resahina. Ora vitsivitsy monja dia lany ireo gazety ary efa varotana amin’ny Aterineto ankehitriny mba ho fahatsiarovana.

Ny 9 Jona, Kommersant, Vedomosti ary RBC, gazety ara-barotra Rosiana lehibe telo nivoaka niaraka tamin’ny fonon-gazety mitovy ho fanohanana an’i Ivan Golunov, ilay mpanao gazety voasambotra/ // Evgeny Feldman ho an'ny Meduza, nampiasana CC BY 4.0

Nandray anjara tamin’ny lahatsary fanentanana (3 min 21s ) niaraka tamin’ireo olo-malaza hafa izay nitaky avokoa ny famotsorana an’i Golounov sy ny mba hisian'ny fanadihadiana ara-drariny Ilay mpihira malaza, Andrey Makarevich avy amin’ny tarika mpiangaly rock Mashina Vremeni . Ary nofoanana tampoka tao anatin’ny minitra farany vokatr’izany ny fampisehoana izay nokasaina hatao ny 12 Jona hanamarihana ny Andron’i Rosia.

Taorian’ny famotsorana an’i Golounov, maro no nitaky fandraisana fepetra bebe kokoa amin'ny hanasaziana ireo mpitandro ny filaminana izay namoroporona ilay raharaha, fa eo ihany koa no niresahana raharaha hafa mitovy amin’izany, izay tsy mbola nahazo fandrakofam-baovao sy fifantohana, ary mba hanakanana izany tsy hitranga indray amin’ny mpikatroka sivily hafa sy ireo mpanao gazety tsy miankina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.