- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Translator Newsletter: Rakibolana ho an'ny mpitsoa-ponenana, Brexit sy ny maro hafa!

Sokajy: Dika, fandikàna-gazety, Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

GVlingua
Miarahaba!

Tongasoa eto amin'ity fizarana Taratasim-baovaon'ny mpandika teny ity! Androany isika dia hiresaka momba ny…

Rakibolana ho an'ny mpitsoa-ponenana

Screenshot taken from www.mykawartha.com (Photo by Lance Anderson/This Week)

Pikantsary nalaina tao amin'ny www.mykawartha.com (Sary nalain'i Lance Anderson/This Week)

Andeha hatomboka amin'ny naoty tsara ny herinandro! – Nivondrona ny mpianatra ao Norwood mba hamorona fitaovana ho an'ireo mpitsoa-ponenana Syriana sy ny fianakaviany monina ao amin'ny faritra misy azy ireo. Araka ny voalazan'ity lahatsoratra [1] ity,

“To create the dictionary, students were asked to think of the most important words that newcomers might need to know while adjusting to their new community, including words associated with food, clothing and transportation.”

“Mba hamoronana rakibolana, dia nangatahana ireo mpianatra mba handinika ireo teny manan-danja indrindra izay mety ilain'ireo olona vao tonga mba hifankazarany amin'ny fiarahamoniny vaovao, anisan'izany ireo voambolana mifandraika amin'ny sakafo, fitafiana ary fitaterana.”

Rehefa namaky momba izany aho, dia tsy nahatàna fa nitia ny fanekena sy ny fahavononana handray ny fifanakalozana ara-kolontsaina. Inona no tianao indrindra eo amin'ny sehatry ny fandikan-teny?

Miala amin'ny teny Anglisy amin'ny maha-fiteny ifaneraseran'ny rehetra azy

Screenshot taken from https://www.theguardian.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny https://www.theguardian.com

Amin'ireto fiteny maro be mahafinaritra ireto, rariny ve raha manjaka amin'ny sehatry ny mozika ny Anglisy? Tokony hiala amin'ny fandikan-teny eo amin'ny tsenan'ny teny Anglisy ve ny mpanakanto mba hampanjaka ny hira amin'ny fiteny niaviany? Emmy the Great, mpihira-mpamoron-kira teraka tao Hong Kong mamakafaka ireo fanontaniana ireo ary maro kokoa ao amin'ny lahatsorany ho an'ny Guardian. Vakio ato [2] ary ampahafantaro anay ny eritreritrao?

Mahazo mpanjifa vaovao ho an'ny mpandika teny

Screenshot taken from linguagreca.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny linguagreca.com

Efa nahatsapa ve ianao fa ny fahazoana mpanjifa mitombina tsara amin'ny asanao no zavatra henjana indrindra eto an-tany? Efa tafiditra tamin'ny fiasana amin'ny orinasan'ny fandikan-teny ve ianao mba hahita asa maharitra? Lingua Greca miresaka antony maro ato amin'ity lahatsoratra [3] ity izay mahatonga ireo mpandika teny mitolona mafy mpanjifa mafy rehefa lasa mahaleotena izy ireo. Jereo ny toro-hevitr'izy ireo ary zarao amin'ny mpiray vondrona ny torohevitrao manokana!

Brexit sy ny indostrian'ny fandikan-teny

Screenshot taken from kontax.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny kontax.com

Raha velona sy miaina ianao dia nandre momba an'i Brexit sy ny fahatairana manerana izao tontolo izao rehefa nahafantatra fa nanapa-kevitra ny handao ny Vondrona Eoropeana ny Fanjakana Mitambatra. Inona anefa no vokatr'izany, raha misy, eo amin'ny indostrian'ny fandikan-teny? Ity lahatsoratra [4]avy amin'i kontax ity dia miresaka momba io fanontaniana io sy ireo faminaniana hafa. Manaiky izany ve ianao? Inona no vokatra ateraky ny Brexit eo aminao sy ny indostrian'ny fandikan-teny?

—————

Toy ny mahazatra, misaotra anareo rehetra noho ny asa mafy ataonareo sy ny fanoloran-tenanareo ho an'ny GV! Raha manana fanontaniana, fanehoan-kevitra na hevitra ianao, dia aza misalasala mandefa mailaka aty amiko ao amin'ny marianna@globalvoices.org