- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Translator Newsletter: Hehy amin'ny fandikan-teny, Orinasan'ny fandikan-teny sy ny hafa maro!

Sokajy: Dika, fandikàna-gazety, Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

GVlingua Miarahaba ny mpikambana rehetra ato amin'GV!

Tongasoa eto amin'ity fizarana Taratasim-baovaon'ny mpandikateny amin'ity herinandro ity indray! Androany isika dia hiresaka momba ny…

Ahoana no fomba hianarana fiteny vaovao

Screenshot from blog.ed.ted.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny blog.ed.ted.com

Niara-nivory ireo olona mahafinaritra ao amin'ny Tetikasa Fandikan-teny Misokatra [1] mba hanome antsika toro-hevitra sasantsasany amin'ny fomba fianarana fiteny vaovao! Ary iza no mahay kokoa manome torohevitra momba ny fiteny ankoatra ireo namana mpandika teny? Tsindrio ato [2] raha te-hamaky ireo toro-hevitra tsara avy amin'izy ireo sy hizara ny toro-hevitrao manokana amin'ny vondrom-piarahamonina GV amin'ny alalan'ny famaliana ity lohahevitra ity.

Miasa miaraka amin'ireo orinasan'ny fandikan-teny

Screenshot from http://atasavvynewcomer.org

Pikantsary avy amin'ny http://atasavvynewcomer.org

Raha mpandika teny matihanina mahaleotena ianao, dia fantatrao fa misy fanamby ny miasa amin'ny orinasa. Ho antsika izay manomboka eo amin'ny sehatry ny fandikan-teny, “Nanoratra ity lahatsoratra bilaogy mahafinaritra ity [3]ny Savvy Newcomer”, izay manasongadina ny sasany amin'ireo tombontsoa amin'ny fiarahamiasa amin'ireo orinasa mpandika teny, anisan'izany ny tsy fandaniam-potoana amin'ny fitadiavana ny mpanjifanao manokana sy ny fampidirana ny tenanao ho ao anatin'ny tsena. Jereo izany ary ampahafantaro anay izay eritreritrareo!

Tombatombana taona 2016 amin'ny indostrian'ny fandikan-teny

Screenshot from http://www.k-international.com

Pikantsary tao amin'ny http://www.k-international.com

Amin'ny fiatombohan'ny taona vaovao, tsy misy milaza izay mety hitranga amin'ny sehatry ny fandikan-teny. Manantena isika rehetra fa ho taona tsara izany ary nanao ny fanombatombany manokana tao amin‘ity lahatsoratra ity  [4]ny k-international. Hitombo ve ny tinady ho an'ny votoaty amin'ny fiteny maro samihafa? Hanimba sa hanakana antsika ny teknolojia? Ny fotoana ihany no afaka miteny, fa amin'izao fotoana izao, dia vakio izany ary ampahafantaro anay izay eritreritrareo hitranga amin'ity taona ity!

Hehy amin'ny fandikan-teny

Laughs in Translation

Screenshot from http://www.aboveaverage.com

Pikantsary avy amin'ny http://www.aboveaverage.com

Amin'ny maha-mpandika teny, dia fantatsika fa sarotra ny maka vazivazy rehefa miditra fiteny iray mankany amin'ny iray hafa. Mitety izao tontolo izao ilay Amerikana mpanao hatsikana Brooks Wheelan mba hahalalany izay mahatsikaiky any amin'ny firenena hafa raha ampitahaina amin'ny any Etazonia.

What’s funny around the world? People say there is a universal language of love, but what about humor? Everyone on the planet laughs, but is there any commonality to what makes them laugh? American comedian and TV personality Brooks Wheelan will travel the world in search of answers. He will meet comedians from each country, learn the country’s favorite jokes, and chat with locals to hear what they think is (and is not) funny about American humor.

Ny mampihomehy manerana izao tontolo izao? Milaza ny olona fa misy ny fitenim-pitiavana mahasahana izao tontolo izao, saingy ahoana kosa ny momba ny hatsikana? Mihomehy ny olon-drehetra eto an-tany, nefa misy ve ny iraisana amin'ny mampihomehy azy ireo? Hitety izao tontolo izao ilay Amerikana mpanao hatsikana, Brooks Wheelan mba hitady ny valiny. Hihaona amin'ireo mpanao hatsikana avy any amin'ny firenena tsirairay izy, hianatra ny vazivazy ankafizina indrindra any amin'ny firenena, ary hiresaka amin'ny mponina any an-toerana mba haheno izay eritreritr'izy ireo fa mampihomehy (na tsia) momba ny hatsikana Amerikana.

Efa tany Alemania, Danemark, ary Frantsa izy. Vakio bebe kokoa ary jereo ato  [5]ireo fizarana telo voalohany!

—————

Toy ny mahazatra, misaotra anareo rehetra noho ny asa mafy ataonareo sy ny fanoloran-tenanareo ho an'ny GV!