- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Translator Newsletter: Mampody indray ny atidoha, fitiavana amin'ny fandikan-teny sy maro hafa!

Sokajy: Dika, fandikàna-gazety, Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

GVlingua

Miarahaba!

Tonga soa eto amin'ity fizarana Taratasim-baovaon'ny Mpandika teny ity indray! Androany isika dia hiresaka momba ny…

Mampody indray ny saina

Screenshot taken from https://www.weforum.org

Pikantsary nalaina tao amin'ny https://www.weforum.org

Fantatrao ve fa mamerina indray ny atidohanao ny fahaizana fiteny roa? Araka ny voalazan’ ity lahatsoratra mahafinaritra [1] avy amin'ny World Economic Forum sy Quartz ity, dia “milaza ny mpikaroka fa afaka manova tanteraka ny rafitry ny atidohanao ny fifehezana fiteny roa”. Vakio raha hijery ny momba izany ary jereo ity lahatsary mahafinaritra [2]navoakan'izy ireo tao amin'ny Facebook ity, izay mamintina ilay lahatsoratra.

Inona no azontsika atao mba hivoarana?

Screenshot taken from www.asymptotejournal.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny www.asymptotejournal.com

Amin'ny maha-matihanina antsika eo amin'ny sehatra misy antsika, dia mitady fomba hivoarana hatrany isika amin'ny maha-mpandikateny ary lasa mendrika kokoa amin'izay ataontsika. Ao amin'ity fizarana “”Manontany Mpandika Teny miaraka amin'i Daniel Hahn [3]“, niresaka izay azon'ireo mpandika teny atao mba hanatsarana ny fahaiza-manaony sy ny firesahany momba ny zava-drehetra tamin'ny atrikasa goavana momba ny zavatra tsotra toy ny famakiana sy fanoratana izy. Vakio ary ampahafantaro anay izay eritreritrareo! Manana ny torohevitrao manokana hozaraina ve ianao?

Fitiavana ao amin'ny fandikan-teny

Screenshot taken from www.newyorker.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny www.newyorker.com

Ity lahatsoratra mahagaga avy amin'i Lauren Collins ity dia miresaka ny diany tamin'izy latsa-pitiavana sy ny fifandraisany amin'ny vadiny, mpiteny frantsay. Tsy fantatro ny momba anao, nefa mahatsapa tanteraka aho fa manana toetra mari-piavahana samy hafa araka ny fiteny ampiasaiko. Be resaka kokoa aho rehefa miteny ireo fiteny haiko tsara ary mifamadika amin'izany. Koa ahoana àry no hanehoanao ny tena lokonao amin'ny fiteny izay tsy anao manokana? Vakio ato ny lahatsoratr'i  [4]Lauren ary raha efa sendra izany ianao, dia lazao anay izany!

Mahazo mpanjifa mba hahazoana karama ara-potoana

Screenshot taken from blog.hubspot.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny blog.hubspot.com

Ary ankehitriny, ny ampahan'nyho an'ireo manatalenta amin'ny taratasim-baovaontsika! Efa teo daholo isika rehetra – manao asa ho an'ny mpanjifa isika ary tsy heno intsony izy ireo amin'ny fandoavam-bola. Nanandrana nandefa mailaka sy fampahatsiahivana nefa mbola tsy nahazo karama tamin'ny asa mafy nataontsika. Aza matahotra intsony! Ireo olona mahafinaritra ao amin'ny Hubspot dia nametraka lisitra misy ireo Paikady sivy mahasoa mba hahazoana mpanjifa mandoa karama ara-potoana [5]. Manana ny toro-hevitrao manokana tsy miseho ato amin'ity lisitra ity ve ianao? Zarao izy ireo!

—————

Toy ny mahazatra, misaotra anareo rehetra noho ny asa mafy ataonareo sy ny fanoloran-tenanareo ho an'ny GV! Raha manana fanontaniana, fanehoan-kevitra na hevitra ianao, aza misalasala mandefa mailaka ao amin'i marianna@globalvoices.org.

Raha sambany mamaky ity gazety ianao ary te-hiaraka amin'ny Global Voices dia lazao anay bebe kokoa eto ny momba anao [6]!