Raha hanao jery todika ny fifidianana tena nanan-danja indrindra tao India, ny Lok Sabha 2019 (Fifidianana Solombavambahoaka Indiàna [2]) dia tsy inona fa azo lazaina ho toy ny tantaram-pitiavana ara-politika — fenoin'ny fiantsoana anarana sy ny adin'ny tenifototra ifanaovan'ireo antoko [3]. Raha mifarana androany ity fifidianana naharitra herinandro maro ity, fitaintainana no iandrasan'ireo mpifidy ny valin'izany.
Antoko telo no nanao izay hiraisana ary nitambatra ho iray talohan'ny fifidianana. Izany no antsoina hoe ‘Gathbandhan’ [4] (Fitambaràna) izay ahitàna ny Antoko Samajwadi, Rashtriya Lok Dal ary Bahujan Samaj Dal. Antoko ao amin'ny fanjakan'i Uttar Pradesh ao an-toerana ireo antoko telo ireo, fanjakana izay tena zava-dehibe tokoa ho an'ny Bharatiya Janata Party (BJP) an'ilay Praiministra amperin'asa mba hahafahany mahazo ny vato be indrindra amin'ny Lok Sabha 2019. Nanao antso hanaovana fivoriana [5] iray ny antoko mpanohitra mba hahafahan'izy ireo midinika ny mety ho valin'ilay fifidianana.
Ankoatran'ny fifidianana, tena zava-dehibe ihany koa ny fampiasana ny filazambaovao sosialy amin'ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana. Nitàna anjara toerana be ny tenifototra tanatin'ireo fampielezankevitra anaty aterneto. Araka ny fikarohana nozohiana tao amin'ny Google [6], ny tenifototra ho an'i BJP no manomboka be mpahalala kokoa noho ny an'ny Congress Party, na izany aza anefa, samy nilalao ilay tenifototra “Main Bhi Chowkidaar” (Na dia mpiambina aza aho), “Chowkidaar Chor Hai” (Ny mpiambina ihany no mpangalatra) sy ny “Phir Ek Baar Modi Sarkar” (Modi government indray) ireo antoko roa ireo.
Vakio Ihany koa : Adin'ny tenifototra tao India raha toa ireo kandidà ka mandroso mankany amin'ny fifidianana amin'ny lohataona 2019
Koa satria hifarana ny 23 May ny Fifidianana Lok Sabha 2019, samy nanomboka niomana amin'ny mety ho valin'ny fifidianana ireo antoko politika. Mila mahazo ny vato be indrindra ny antoko politika iray amin'ny Lok Sabha mba hahafahany manolotra kandidà ho amin'ny toeran'ny Praiministra.
Amin'ny toerana miisa 542 ao amin'ny Lok Sabha, maro amin'ireo fampahalalam-baovao no nitatitra [7] fa ny BJP no heverina fa hahazo toerana be indrindra ao –Ampy ho amin'ny fametrahan'ny BJP an'i Narenda Modi eo amin'ny toeran'ny Praiministra tsy mila ny fanohanana avy amin'ny antoko hafa na fitambarana akory. Marobe ireo mpampiasa aterineto no naka ny hoe tena naneho tanteraka ny vokatra amin'izao fotoana izao ireo vokatry ny fitsapankevitra teo am-pivoahana ny birao ary nanomboka niarahaba an'i Narendra Modi tamin'ny fandresena azony
24 Hours remaining. Race has started, sorry folks can't locate your favorite Rahul and Kejriwal.
Help yourself ??#ModiAaGaya [8] #ModiAgain [9] pic.twitter.com/QTuCnJ9iH4 [10]
— Pranavsinh (@Pranavsinh9) May 22, 2019 [11]
24 Ora sisa. Efa manomboka ny hazakazaka, ialàna tsiny ray vahoaka fa tsy afaka ny hahità an'i Rahul na i Kejriwal ankafizinareo.
Ampio ny tenanao ??#ModiAaGaya [8] #ModiAgain [9] pic.twitter.com/QTuCnJ9iH4 [10]
— Pranavsinh (@Pranavsinh9) 22 May, 2019 [11]
And here's the Congress numbers (from a clued in leader)- 230- bjp, congress -160- Others- rest (150odd)- On BJP numbers they agree but is the Congress’ demise declared by exit polls too soon? #ElectionResults2019 [12] https://t.co/yeIjiEHXMj [13]
— sunetra choudhury (@sunetrac) May 20, 2019 [14]
Ary ireto ary ny isa azon'ireo Kaongresy (avy amina mpitarika voafidy)- 230- bjp, kaongresy -160- ireo hafa- ambiny (150odd)- Manaiky ny isa azon'ny BJP ry zareo kanefa efa voambara mialoha tamin'ny vokatry ny fitsapankevitra teo am-pivoahana ny birao ve ny fahafatesan'ny Kaongresy ? #ElectionResults2019 [12] https://t.co/yeIjiEHXMj [13]
— sunetra choudhury (@sunetrac) 20 May, 2019 [14]
Congratulations PM @narendramodi [15]!
Indians have spoken from the heart and voted you back resoundingly. They have rewarded your good governance, and empowered you to keep building #NewIndia [16] for the next 5 years. #Election2019 [17]#ExitPolls2019 [18]#ElectionResults2019 [12]@BJP4India [19] pic.twitter.com/zXc6Rpazu1 [20]— KABIR BEDI (@iKabirBedi) May 20, 2019 [21]
Arabaina PM @narendramodi [15]!
Namoaka ny tao am-pony lalina ireo Indiana ary nirohotra nifidy anao. Novalian'izy ireo ny fahaizanao mitantana , ary nanome hery anao mba hanohy ny fananganana#NewIndia [16] ho an'ny 5 taona manaraka. #Election2019 [17]#ExitPolls2019 [18]#ElectionResults2019 [12]@BJP4India [19] pic.twitter.com/zXc6Rpazu1 [20]— KABIR BEDI (@iKabirBedi) 20 May, 2019 [21]
Karazana filazambaovao maro sy vohikala maro no nikarakara fampiakaram-baovao sy fandalinana mivantana momba ireo valin'ny fifidianana nandritry ny tontolo andron'ny 23 May 2019.
Tune in to @TheQuint [22] for all the counting day updates, numbers, analyses and a lot more throughout the day with @Raghav_Bahl [23]. #ElectionResults2019 [12] pic.twitter.com/MgLE6tOO8H [24]
— The Quint (@TheQuint) May 22, 2019 [25]
Araho @TheQuint [22] ho an'ny vaovao farany rehetra momba ny andro fanisambato, ny isa, ny fitsikerana ary ireo hafa maro mandritry ny andro amin'ny@Raghav_Bahl [23]. #ElectionResults2019 [12] pic.twitter.com/MgLE6tOO8H [24]
— The Quint (@TheQuint) 22 May , 2019 [25]