- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Twitter @DigiAfricanLang 2019

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Manomboka ny 20 Martsa ary mandritra ny 2019, hifandimby hitantana ny @DigiAfricanLang [2], kaonty Twitter vaovao izay manasongadina ny anjara asa afaka lalaovin'ny teknolojia sy Aterineto amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana aina vao ireo tenim-pirenena eo amin'ny kaontinanta Afrikana ireo Afrikana mpikatroka nomerika. Hankasitraka ny fandavantenan'ireo Afrikana mitrandraka ireo karazana haino aman-jery nomerika rehetra mba hanondrotana ny mombamomban'ireo tenim-pireneny sy ny kolontsainy an-tambajotra ary mba hisarihana andian-taranaka vaovao hiteny azy no tanjona lehibe amin'ilay hetsika fanentanana Twitter.

Ao anatin'ny fiarahamiasa miaraka amin'ny Tetikasa Yoruba Names sy ny Global Voices amin'ny teny Yoruba, ho arindran'ny Rising Voices ny fandraisana anjaran'ireo mpikatroka nomerika mihoatra ny 40 manerana ny kaontinanta ao anatin'ilay hetsika fanentanana, mifanandrify amin'ny fankalazana ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ny Tenimpirenena Teratany [3].

Amin'ny maha-mpampiantrano Twitter azy ireo, hizara ireo heviny sy ny fomba fijeriny mikasika ireo teny Afrikana ireo mpandray anjara amin'ilay hetsika fanentanana, tafiditra amin'izany ny tantaran'izy ireo, ny fampiasana azy ankehitriny any anaty resaka an-tambajotra sy ivelan'ny Aterineto, ireo fanamby sy paikady vaovao hanomezana aina vao izany indray. Raha afaka mitàna anjara asa lehibe ny teknolojia, tsy inona fa fitaovana fotsiny ao anatin'ny toe-javatra ankehitriny izay mivelatra kokoa sy miantraika amin'ny fahaveòloman'ireo tenim-pirenena teratany ihany izany.

Manaraka hetsika santatra iray mitovy aminy sy mahomby be izay amperiny ankehitriny any Amerika Latina miaraka amin'ny kaonty Twitter @ActLenguas [4] ity hetsika fanentanana ity.

Anivon'ireo mpampiantrano handray anjara amin'ilay hetsika fanentanana, misy olona miasa miaraka amin'ny teny Yoruba, igbo, Swahili sy Twi amin'ny alalan'ny sehatra toy ny Wikipedia, rindrambaiko sy lalao fianarana, tetikasa fandikanteny, rakibolana an-tambajotra, fijerena ireo rindrambaiko fiarovana ara-nomerika sy ireo fanentanana hafa anaty media sosialy  Jereo eto ny lisitra voalohany an'ireo mpandray anjara.

Aingampanahy avy amin'ireo hetsika santatra toy ny @IndigenousX any Aostralia ity tetikasa  haino aman-jery sosialy ity, izay ny mpamorona azy, i Luke Pearson dia nanome fanamarihana lehibe nandritra ny fandrindràna. Tantanina lisitra mifandimby nisy an'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina ihany koa ny kaonty Instagram an'ny Global Voices ary fomba iray tsara ho an'ireo mpikambana isankarazany ato amintsika hizaràna ny fomba fijeriny mikasika ireo toerana fonenany.

Mba jereo ny fandaharam-potoana etsy ambany ho an'ireo nanoratra anarana mba hizara ny tantarany. Antenainay ny hahazo hafatra fohy anaty blaogy momba ny “mpampiantrano” tsirairay.

Fandaharam-potoana

(Tsindrio eo amin'ny anaran'ilay mpampiantrano raha hamaky lahatsoratra am-blaogy Fanontaniana&Valiny)

20-26 Martsa:

Kọ́lá Túbọ̀sún [5] (@kolatubosun [6])

Matihanina momba ny teny, leksikografy ao amin'ny @oxfordwords. Mpamorona ny @yorubanames. Mpanoratra ao amin'ny @ktravula sns. Morland Writing Scholar 2019. Mpanoratra ny “Edwardsville by Heart” (tononkalo).

27 Martsa- 3 Aprily:

Ọmọ Yoòbá [7] (@yobamoodua [8])

Olùfẹ́ àṣà. Ọmọ Yorùbá àtàtà. Ọmọ Oòduà t'ọkàntọkàn #Teacher ? @tribalingual #toerana #mpandikateny ?@L10nLab @gvyoruba #Mpahayolombelona #Tantsaha #Mpanoratra

4-10 Aprily:

Zaituni Njovu [9] (@Zaituni_Njovu [10])

PDG|Teknolojista|Mpanazatra Amin'ny Fiarovana Nomerika| @ZainaFoundation

11-16 Aprily: 

Ursula Zage [11] (@ZuZage [12])

Mpanoratra, Mpikaroka, Mpisolovava misokatra, Mpiondana teknolojia, Mpanazatra #Wikipedian, http://ursulazage.com

17-23 Aprily:

Ezeibe Emeka Francis [13] (@emekaezeibe [14])

Mpanoro hevitra ara-pitaterana/lojistika #FreelanceFootballWriter, Mpamaky lay ny #NPFL: @Umu_igbo MIVAROTRA FITAOVANA ADIRE TSARA KALITAO AHO #MPANDRAHARAHA #FitantananaTsara #Hoentin'nyfahasoavana

24-30 Aprily:

Adebayo Adegbembo [15] (@technobayo [16])

Mpanonofy, Mpanoratra, Mpampianatra, Mpanoratra rindrambaiko & Evanjelista ara-kolontsaina ho an'ny  Àșà (@genii_games). http://bit.ly/2h6y9Pa

1-7 Mey:

Mama Adobea Nii Owoo [17] (@AdobeaO [18])

Mpianatra manomana PhD ao amin'ny @UofT. Zavatra mahaliana: MTBE mahay fiteny maro, politikan'ny teny, fahaizanmanoratra sy mamaky ny nomerika, fanafoanana ny maha-zanatany ara-teny.

8-14 Mey:

Damilola Adebonojo [19] (@iyayoruba [20])

Matihanina amin'ny Teny Yorùbá | Mpampianatra| Mpanitsy| Mpandray anjara & Mpandika teny Yorùbá ao amin'ny Global Voices | mpahay momba ny soratra| Mavitrika ara-kolontsaina | Mpamorona ny Alámọ̀já Yorùbá

15-21 Mey:

Siya Masuku (@siyamasuku [21])

uZwide, siyafundaonline.co.za

22-28 Mey:

Denver (@ToroxaD [22])

Niditra tamin'ny Oktobra 2018

29 Mey-4 Jona:

Blossom Ozurumba (@blossomozurumba [23])

Fehezana feno hery famoronana. Vatsim-pianarana: IVLP sy NLI. Mety hanomboka resaka mikasika ny @Wikimedia na tsy anontaniana aza. Abuja, Nizerià, blossomozurumba.com

5-11 Jona:

Doaa Farid Farah AbdelSayed (@TheNubianVoices [24])

Hetsika santatra ny Nubian Voices, mba hisoloana tena ireo Nobiana sy hampitomboana ny fanentanana mikasika ny kolontsaina Nobiana manerana ny tany .#NubiaConnect #MamaAfrica, Nubia

12-18 Jona:

Tochi Precious (@TochiPrecious3 [25])

Manampy anao hifandray amin'ny Tany amin'ny alalan'ny Teny aho. Mpamorona ny http://sla.com.ng . Mpiara-mamorona ny @wikimediaigbo. Mpanonta ny teny Igbo/ Mpandika teny ao amin'ny @igbowiki. Nizerià

19-25 Jona: 

Ibrahima Malal Sarr (@ibrahimasaar [26])

Geek vazimba teratany, Mpandrafitra Tranonkala, Profesora, Mpandika Teny, L10N guru, Adalanà elektronika, Mpitsikera Ranomanitra, Mpanoro hevitra TIC ho an'ny Teny Afrikana, Mpahay maritrano ao amin'ny PULAAR-FULFULDE , Le Havre, http://i-sarr.ibrahima-sarr.com

26 Jona- 2 Jolay:

Mpumie Njobe (@MpumieNjobe [27])

IsiZulu mpampianatra, mpandika teny avy amin'ny teny Anglisy mankany amin'ny IsiZulu ary mpahay momba ny soratra. Johannesburg, Afrika Atsimo

3-9 Jolay:

Mahuton Possoupe (@b_mahuton [28])

????Mpamolavola Rindrambaiko – Mpisolovava FOSS – Access Program Fellow ( Maosivoho Amerikàna, Cotonou – 2004 ), Ile-de-France, Frantsa