- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

# JBF2019: Nahazo ny Twitter ny Fetiben'ny biriky Lego 2019 tany Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina
Lego Figurines

Sarivongana kely Lego. Sarin'i Nevin Thompson.

Natao tao Kobe tamin'ny 8 Jona sy 9 Jona 2019 ny Japan Brickfest 2019 [1], lanonana tontosaina ao amin'ny firenena ahitana mpiondana lalao Lego be indrindra. Mpakafy Lego maherin'ny 270 no nampiseho ny famoronany, ary olona an'arivony nanatrika ny Brickfest nandritra ny faran'ny herinandro no nizara sary tao amin'ny Twitter tamin'ny fampiasana ny tenirohy #JBF2019 [2].

I went and took some photos.

Nandeha tany aho naka sary maromaro.

Tsy fantatro tsara hoe iza no nanao azy, fa tena mahafinaritra. Tena mahafinaritra ny fampiasana ny lamasinina haingam-pandeha Lego amin'ny fomba toy izao.

Tanàna madinidinika naseho tao amin'ny JBF 2019. Tamin'ny fampiasana sary avy amin'ny zanabolana, naverina noforonina tamin'ny alàlan'ny taratasy fananganana Lego 16X16 ny zava-drehetra .

Nanontany tena aho hoe inona no tao anatin'ilay valizy. Nosokafako ilay izy, ary izao no hitako tao. Tena mety tsara ho an'ny fitondrana Lego!

Miha-lehibe sy mivoatra hatrany isan-taona ireo sarivongana kely lego ireo !

Nokarakarain'ny sekoly tsy miankina ao Kobe Canadian Academy [19] sy ny KLUG  [20](ny vondrona mampiasa Lego Kansai) isan-taona nanomboka hatramin'ny taona 2016 , lanonana hanaovam-panasoavana ny Japan Brickfest, izay hanomezana ny ampahany amin'ny vola azo amin'ireo anton-javatra mendrika hanaovana izany marobe.

Jereo ny famoronana Lego maro mahagaga ao Kobe ao amin'ny tenirohy Twitter #JBF2019 [2].