- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famintinana ny fihaonana GV tany Tunis

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Janoary 2015)

DSCN4420

Ny 1 Novambra, nisy ny fihaonan'ny GV tany Tunis tao amin'ny 404 Lab izay laboratoaran-javabaovao misokatra hampiantranoin'ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana (ATI).

Nahafahana nampahafantatra momba ny Global Voices ho an'ireo mpamaky tao Tunis ny fihaonana. Anisan'ireo fanontaniana napetraka nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny hoe:

Nandritra ity fihaonana ity dia niresaka momba ny tetikasany ihany koa ireo mpandray anjara ary niady hevitra momba ny olana atrehan'ny fampitam-baovao fisolo sy ny sehatry ny fanaovan-gazety any Tonizia .

Nampahafantatra ny asan'ny Tunisie Bondy Blog [1] i Rafika Bendermel, ilay famoaham-baovao an-tserasera iray mikasa ny hiala amin'ny ‘fanilikilihana’ ao amin'ny faritra anatin'i Tonizia.

Nilaza i Lilia Weslati, lehiben'ny toniandahatsoratra ao amin'ny Webdo.tn [2] fa iray amin'ireo olana atrehiny amin'ny asany ny fitadiavana ireo “mpanao gazety marina”.

Niresaka momba ny Inkyfada [3] i Chayma Mehdi, fampahalalam-baovao an-tserasera vaovao natomboka tamin'ny taona 2014.

Nifarana tamin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fandraisana anjaran'ny tanora amin'ny fiainana ara-politika ao Tonizia ny fihaonana.