Famintinana ny fihaonana GV tany Tunis

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Janoary 2015)

DSCN4420

Ny 1 Novambra, nisy ny fihaonan'ny GV tany Tunis tao amin'ny 404 Lab izay laboratoaran-javabaovao misokatra hampiantranoin'ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana (ATI).

Nahafahana nampahafantatra momba ny Global Voices ho an'ireo mpamaky tao Tunis ny fihaonana. Anisan'ireo fanontaniana napetraka nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny hoe:

  • Tsy fisian'ny fitantarana avy any Afrika avaratra sy Afrika atsimon'i Sahara.
  • Fampitana ny fahaiza-manao: namolavola rafitra fanairana mahomby ny vondrom-piarahamonina sasantsasany (anisan'izany ny faritra Afovoany Atsinanana) mba hampielezana teny haingana any amin'ny faritra midadasika any Afovoany Atsinanana. Ahoana no fomba hampitantsika izany fahaiza-manao izany eo amin'ny vondrom-piarahamonina/vondrona kendrena ao amin'ny tambajotrantsika na amin'ny ankapobeny?.
  • Rafitra fiarovana ho an'ny bilaogera/mpanao gazety izay manao tatitra ao amin'ny GV na avy any amin'ny faritra saro-pady amin'ny fandriampahalemana.
  • Ny fanamby amin'ny fanamarinana ny vaovao ao amin'ny tambajotra sosialy

Nandritra ity fihaonana ity dia niresaka momba ny tetikasany ihany koa ireo mpandray anjara ary niady hevitra momba ny olana atrehan'ny fampitam-baovao fisolo sy ny sehatry ny fanaovan-gazety any Tonizia .

Nampahafantatra ny asan'ny Tunisie Bondy Blog i Rafika Bendermel, ilay famoaham-baovao an-tserasera iray mikasa ny hiala amin'ny ‘fanilikilihana’ ao amin'ny faritra anatin'i Tonizia.

Nilaza i Lilia Weslati, lehiben'ny toniandahatsoratra ao amin'ny Webdo.tn fa iray amin'ireo olana atrehiny amin'ny asany ny fitadiavana ireo “mpanao gazety marina”.

Niresaka momba ny Inkyfada i Chayma Mehdi, fampahalalam-baovao an-tserasera vaovao natomboka tamin'ny taona 2014.

Nifarana tamin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fandraisana anjaran'ny tanora amin'ny fiainana ara-politika ao Tonizia ny fihaonana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.