- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ampahany tamin'ny fihaonana GV voalohany tany Dar es Salaam

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Aprily 2015)

 

#GVMeeup in Dar es Salaam

#Fihaonana GV tany Dar es Salaam

Tany amin'ny faran'ny taona 2014, nikarakara ny Fihaonana GV voalohany tao Dar es Salaam ny Lingua Swahili [1]. Ny KINU Innovation Hub [2] no nampiantrano ity fihaonana ity izay natao ny 2 Novambra 2015 nanomboka tamin'ny 12 ora ka hatramin'ny 5 sy30 mn hariva. Anisan'ireo mpandray anjara mavitrika miisa 18 ireo mpianatry ny oniverisite, bilaogera, mpikaroka, teknolojia vitsivitsy sy ny olo-malaza amin'ny fampitam-baovao ary ny olona miasa miaraka amin'ireo FTMF ao Dar es Salaam.

Ny fanatrarana sy ny fifandraisana tamin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny GV Swahili no fandaharam-potoana fototra.

• Nitarika adihevitra momba ny andraikitry ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra ao Tanzania i Deogratias Simba [3] izay nahaliana tokoa ireo mpandray anjara. Nozaraina ireo zava-niainana mahaliana momba ny toe-draharaha sy ny fampiasana ny tambajotra sosialy amin'ny famoronana votoaty.

• Nizara ny tetikady mampientanentana momba ny famoronana votoaty ao an-toerana ho an'ny mpihaino Swahili i Constantine Manda, bilaogera sady mpikaroka ao amin'ny Twaweza.org [4]. Nanome rohy tsara izy ho an'ny anjara andraikitry ny ekipa kely Lingua Swahili miha-mitombo .

• Tonga nanatevin-daharana anay ny toniandahatsoratra mpanorina, Joe Tungaraza [5], avy any Aostralia tamin'ny alàlan'ny skype taorian'ny sakafo antoandro. Nampahafantatra vaovao momba ny Global Voices – Tetikasa Lingua izy ary nilaza ny antony nanapahan'izy ireo hevitra ny hamolavola ny ekipa Lingua Swahili tamin'ny taona 2008. Afaka nametraka fanontaniana momba ny hevitry ny Lingua Swahili ireo mpandray anjara.

• Nizara torohevitra mahaliana momba ny fandikan-teny mahomby i Zamda Ramadhani avy ao amin'ny Oniversiten'i Dar es Salaam. Afaka nizara ny traikefany mikasika ireo fanamby atrehany amin'ny famokarana ny fandikan-teny tsara kalitao ireo mpandray anjara.

Nifarana tamin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hidirana ho mpilatsaka an-tsitrapo ato amin'ny Global Voices -Lingua Swahili ny fihaonana. Tamin'ny farany, nisy mpandray anjara vitsivitsy nanolontena hanomboka hiara-hiasa taminay.