Hitako nihaodihaody teny ianao !

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2014)

Nihaodihaody teny ianao nandritra taona maro saingy tsy mba afaka niresaka taminao aho. Na dia nasaina aza aho kanefa noho ny antony samihafa dia tsy nitranga izany. Nandeha lalan-kafa aho, niditra tao amin'ny Demotix raha ny tsaroako. Efa akaiky ianao!

Zavatra maro no reko momba anao! Nanomboka namaky sy nijery anao avy lavitra aho, tao anaty aloka foana saingy nampiely ny “feonao” tamin'ny alàlan'ny tambajotra. Nampiseho ahy ny tontolo izay inoako ny vahoaka rehetra manome aingam-panahy anananao. Niara-naneho ireo fitaovana hiarovana ny rariny, ny fitoviana ary ny fahalalaham-pitenenana ianareo. Nahafantatra zavatra maro aho, noho ianao: Global Voices!

Nanatevin-daharana ilay fianakaviana aho ny 14 Oktobra rehefa afaka ireo taona rehetra ireo. Tamin'ny fotoana nankalazana ny faha-10 taonanao indrindra izany. Arahabaina nahatratra ny tsingerintaona nahaterahanao ianao!

Misaotra anao nandray ahy!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.