GV: Mizara ny tantaram-piainana amin'izao tontolo izao

(Lahatsoratra tamin'ny volana Oktobra 2014)

Faly aho ary mahatsiaro omem-boninahitra amin'ny maha-mpandray anjara Global Voices.

Rehefa nifandray tamiko i Ndesanjo Macha, ilay toniandahatsoratra Afrika Atsimon'i Sahara ary nilaza tamiko fa voafidy ho mpandray anjara aho volana maromaro taorian'ny nanaovako fangatahana dia tena faly aho fa saingy mbola tsy azoko antoka raha azoko atao ny hiantso ny tenako ho bilaogera iraisampirenena. Niraikitra manoloana ny tambajotra sosialy ny masoko noho ireo vaovao malaza tamin'io herinandro io. Momba an'i David Tinyefuza, Jeneralin'ny Tafika Ogandey no lahatsoratro voalohany, izay nifanditra tamin'ny filoha ary lasa mipoapoaka manohitra ny governemanta. Tsy haiko anefa raha tena nanaraka ny toro-marika tsara aho saingy nanamora izany ho ahy ilay toniandahatsoratro mahatalanjona ary nahatonga ahy ho sahy handray izany fanamby izany.

Tsy nanana asa aho tamin'io fotoana io raha nanokatra varavarana ho ahy ny Global Voices ary nanontany tena ny namako rehetra hoe nahoana eto amin'izao fotoana izao aho no miasa kanefa tsy manantena ny hahazovola – nolazaiko azy ireo fa ny zavatra tiako no ataoko – tsy resa-bola ihany akory izany fa ny fahafahana miresaka momba ny tantaran'i Oganda.

Tonga ny ahiahy bebe kokoa avy amin'ny raiko izay niaina ny fotoana mafy nitondran'ilay mpanao didy jadona Ogandey Idi Amin (1971-1979), hoy izy.

“I hope what you are doing is not political. I do not want you landing in trouble. You know when a government wants to stay in power they become repressive, they are scared of their own shadows.”

“Manantena aho fa tsy politika ny zavatra ataonao. Tsy tiako ho tafiditra gidragidra ianao. Fantatrao rehefa maniry ny hijanona eo amin'ny fitondrana ny governemanta dia lasa mampiasa famoretana izy ireo, matahotra ny aloky ny tenany ireo. “

Noraisiko am-po ny teniny kanefa tsy nieritreritra ny hiverin-dalana aho.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.