Fifantenana ireo mpandray anjara amin'Ilay Atrikasa PCPRC “Fahaizana mamaky sy manoratra ny media ary Fanoherana ny fandrebirebena”

Tatitra Momba ny Atrikasa

Vao no vitan'ny Post-Conflict Research Center (PCRC) ny fifantenana ny antotan-taratasin'ireo mpandray anjara amin'ilay atrikasa “Fahaizana mamaky sy manoratra amin'ny media ary Fanoherana ny fandrebirebena” atao ho an'ny tanora ao Sarajevo, Bosnia sy Herzegovina (BiH) ny  25 – 29 Oktobra, 2014 .

Nalefan'ny PCRC tamin'ireo fampahalalam-baovao isan-karazany tanaty tambazotra ny Antso ho amin'ny Fandraisana Anjara hakàna ireo mpandray anjara, anatin'izany ny Facebook, Twitter, Peace Net, ny tranonkala natao  ho an'ny tanoria Bosniaka ary ny  tranonkalam-paritra mreža-mira. Nantsoinay ihany koa ny tambajotran'ireo Oniversite, lisea ary ireo fikambanana tanora nanampy anay tamin'ny fampahafantarana ilay atrikasa ary nisafidy ireo tanora liana avy amin'ny vondrom-piarahamonin'izy ireo. Ao amin'ny vohikalan'ny  Balkan Diskurs no alaina ny taratasy fisoratana anarana ary mitaky ny mombamomba ilay hisoratra anarana izany, toy izany koa ny filazàna mazava amin'ny antsipirihany ny asa ny fianarana natao tany aloha ary ny antony nandrisika azy ireo handray anjara.

Fisafidianana Ireo Mpandray Anjara

Ho an'ireo tanora avy ao amin'ny BiH eo anelanelan'ny 16 ka hatramin'ny 30 taona ilay atrikasa, izay liana amin'ny fandraisana anjara amin'ny Balkan Diskurs mandritry ny volana maromaro ho avy. Mba hahazoana antoka ny fahasamihafan'ireo mpandray anjaranay ireo dia lafin-javatra maro no nodinihina tao amin'ny dingana fifantenana. Sasany tamin'izany ny maha-lahy na vavy azy, ny faritra soloiny tena ary ny antony nanosika azy ireo handray anjara. Zava-dehibe ihany koa ny fiaviana sy ny fivavahana tanatin'ny dingana fifantenana satria ampahany tena manan-danja tamin'ny famolavolana ity tetikasa ity ny fametrahana ireo mpandray anjara amin'ny sehatra samihafa ao amin'ny firenena, ary koa hanangana fifandraisana vaovao sy hamorona tambazotra vaovao ho tetezana amin'ny fisian'ny fizarazaràna ara-poko misy amin'izao fotoana izao.

Ho an'ireo tetikasany rehetra, sy ireo atrikasany tsy asiana fanavahana, kendren'ny PCRC ny hampiasa fomba fanakaikezana mampiaty, mitodika aminà foko maro. Efa nifantina mpiofana avy amin'ireo foko tsirairay misy ao anatn'i BiH izahay – Bosniaka Silamo, Bosniaka Serba, ary Bosniaka Kroaty – ao koa ireo mpandray anjara avy amin'ireo sokajy “hafa” ao Bosnia.  Ireo “hafa” ireo dia ahitàna ireo mpikambana avy aminà vondrom-piarahamonina Jiosy sy Roma ary koa ireo avy aminà fanambadiana mifangaro.

Lafin-javatra hafa izay nanana anjara toerana tamin'ilay dingana fifantenana, tafiditra tamin'izany ny asa natao taloha, ny fianarana norantovina sy ny fahaizana manokana, ary ny fahavononan'ireo mpandray anjara hirotsaka hitatitra ireo lohahevitra heverina fa zava-dehibe ny hiresahana azy, tsy ao anatin'ny fiarahamonina misy azy ihany, fa hivelatra kokoa eo amin'ny sehatry ny firenena. Nojeren'ny PCRC avokoa ny fahavitrihan'ireo mpandray anjara tsirairay, izay nolazaina tany anatin'ireo antotan-taratasy sy tamin'ny alalan'ny fanadihadiana manaraka tao amin'ny Skype.

Valin'Ilay “Antso Ho Amin'ny Fandraisana Anjara”

Toto afo ny valinteny voarain'ny PCRC avy amin'ireo mpikambana tamin'ny fikambanan'ny tanora liana nanerana an'i BiH. Naharay taratasy fangatahana avy any Živnice, Olovo, Tešanj, Novi Travnik, Mostar, Tuzla, Brčko, Istočno Sarajevo, Srebrenica, Banovići, Visoko, Bijeljina, Livno, Banja Luka, Jajce, Laktaši, Goražde, Gračanica, Kakanj, Lukavac, Prijedor, ary Sarajevo izahay. Amin'ny sarintany etsy ambany, ny teboka mena no manondro ny toerana misy an'ireo tanàna ireo

Media Workshop Applicants Map

Tena mahafinaritra ho an'ny PCRC ny fahitana ireny valinteny ireny. Tena diboky ny hafaliana ihany koa izahay fa afaka manome izany karazana fahafahana izany ho an'ireo tanora mipetraka any amin'ireo tanàna lehibe kokoa toa an'i Sarajevo, Mostar, Banja Luka, sy Tuzla, fa koa amin'ireo tanàna kelikely kokoa, izay tsy mahazo firy amin'ny fandrakofam-baovao kanefa tena manan-danja. Tena faran'izay sarotra be ny nifantina ireo ho vondrona mpandray anjara farany, ary manantena izahay fa mbola hikarakara atrikasa misimisy kokoa amin'ny hoavy mba hahafahana mampiditra ireo rehetra izay tsy voafantina tamin'ity fiofanana andiany voalohany ity. Na izany aza, miandrandra ny fiarahamiasa amin'ireo vondrona tanora manan-talenta ireo izahay, ary tsy andrinay ny hamoaka ao amin'ny vohikala Balkan Diskurs ny asa vitan'izy ireo vokatr'ity fiofanana ity .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.