Tatitry ny Mpisera : Ny fomba nanampian'ny WhatsApp (sy ny 3 tapitrisa dolara) an'i Jair Bolsonaro tao Brezila mba hahazo fandresena

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2018)

Taokanto nampiasàna “Stencil” tao Wisconsin, Etazonia.Sary an'i David Drexel tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Manome topimaso iraisampirenena momba ireo fanamby, ireo fandresena, ary ireo fironana vao misandratra eo amin'ny lafiny zo nomerika maneran-tany ny Netizen Report (Tatitry ny Mpisera) ato amin'ny Global Voices Advox. Mandrakotra ireo hetsika narahanay tamin'ny Oktobra 2018 ity tatitra ity.

Ny 28 Oktobra, nifidy Filoham-pirenena ilay demokrasia lehibe indrindra ao Amerika Latina, izay nahitàna fampielezankevitra feno herisetra, siosion-dresaka ny amin'ny fisiana hosoka, ary fifandimbiasana vaovao sy torohay izay voaporofo fa diso tety tanaty aterineto.

Ny Filoha voafidy Jair Bolsonaro, izay kapitenin'ny tafika fahiny ary niasa tao amin'ny Kaongresy Breziliana hatramin'ny taona 1991, dia naneho ampahibemaso ny fomba fijeriny manao tsinontsinona vehivavy sy mankahala ny fiarahan'ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy ary vao haingana dia nanapa-kevitra “ny hanatsahatra ny fikatrohana mafàna fo rehetra ao Brezila’’

Folo andro monja talohan'ny nifaranan'ny fifidianana,  hita fa nandaniana 3 tapitrisa dolara Amerikana mba hanelezana vaovao tao amin'ny WhatsApp ny fampielezankevitr'i Bolsonaro. Ny Folha de São Paulo, iray amin'ireo famoahambaovao  manana ny maha-izy azy ao Brazila no namoaka ilay hafetsena nampisehoana ny mety fiavian'ireo hafatra mahery vaika, mampisaratsaraka no sady tatitra diso maro naely teny anatin'ny filazambaovao sosialy tao Brezila nandritra ny volana maro talohan'ny fifidianana. Na dia teo aza ny ezaka isan-tsokajiny nataon'ireo vondrona mpanamarina ny zava-nisy, sy ny firotsahan'ny Facebook an-tsehatra dia toa mbola nitàna anjara toerana lehibe ihany ireo vaovao nodisoina tao anatin'ny fampielezankevitr'i Bolsonaro.

Nandray ny valin'ny nataony ihany koa ireo rehetra nanao izay hitorohana ireo ezaka fandisoana vaovao. Fotoana fohy taorian'ny nanoratan'ilay mpanao gazetin'ny Folha de São Paulo, Patricia Campos Mello, lahatsoratra mikasika ilay raharaha 3 tapitrisa dolara Amerikana ho an'ny WhatsApp no nanomboka naharaisany fampitahorana ary nisy nijirika ny kaontiny WhatsApp. Nofafan'ireo mpijirika ny resaka sasantsasany nataony ary nandefasan'izy ireo hafatra manohana an'i Bolsonaro tany amin'ireo namany vitsivitsy. Mpanao gazetin'ny Estado de São Paulo, iray hafa ihany koa no nisy namoaka ny mombamomba azy manokana rehefa avy nanisy tohiny an'ilay tantaran'i Mello. Araky ny voalazan'ny Brazilian Association of Investigative Journalism (ABRAJI) na ny fikambanan'ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana ao Brezila, dia 141 no isan'ireo tranga fampitahorana sy herisetra natao taminà mpanao gazety voarakitra nandritry ny fandrakofana ny fifidianana natao ny taona 2018.

Mety ho tratran'ny fanontaniana mahasanganehana mikasika iny fampielezankeviny iny eo anatrehan'ny tribonalin'i Brezila ihany i Bolsonaro, satria mety hanitsakitsaka ny lalàna Breziliana mikasika ny fifidianana sy ny fiarovana ny angondrakitra iny fikafika niarahany tamin'ny WhatsApp iny. Kanefa mandra-piandry izany, tsy voakorontana, manomana ny lanonam-pametrahana azy ary miresaka fatratra amin'ireo mpanaradia azy anaty WhatsApp ilay kandidan'ny elatra farany havanana.

Anatin'ireo vaovao Hafa…

Indoneziana roa no voasambotra noho ny “fizaràna sy fandefasàna torohay elektronika miaty tsy fahamendrehana”, izay heloka bevava anatin'ny lalàna Indoneziana mikasika ny fanaparitahana torohay sy fifanakalozana elektronika. Samy nitantana vondrona fampihaonana ireo lahy samy lahy sy vavy samy vavy izy roa ireo. Ny 18 Oktobra, tonga tampoka tao an-tranony ny polisy ary naka ireo finday dimy sy kapaoty 25 isa.

Mpanao gazety avy ao Myanmar no voasambotra ny 11 Oktobra ary nampangaina ho nanely “Tahotra na ahiahy tamin'ny vahoaka” taorian'ny namoahan-dry zareo ny valim-panadihadihany tao amin'ny Eleven News Media mikasika ny fandaniana volambahoaka eo amin'ny fitanteram-bahoaka ao amin'ny tananàn'i Yangon. Efa hatramin'ny taona 2016 no naharay fitarainana miisa 43 anenjehana mpanao gazety ao Myanmar ny  Athan, vondrona Birmana miaro ny fahalalahana haneho hevitra.

Ilay koa dia voampanga noho ny “Fanararaotana ny fahalalahana ara-demokratika” ilay vetnamiana mpanao gazety, Do Cong Duong ary voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina ny 12 Oktobra, noho ny ezaka nataony tao amin'ny Facebook sy Youtube nitoroka ny kolikoly, ny fampiasàna tafahoatra ny tany ary ny fandroahana an-terisetra. Mbola voaheloka taminà raharaha iray hafa ihany koa izy ny volana Septambra 2018 noho ny “Fanakorontanana ny filaminam-bahoaka”.

Ny taona 2018 ka hatramin'izao fotoana izao, nisambotra olona 209 ny Pakistan’s Federal Investigation Agency (Sampandraharaha Federaly Misahana ny Fanadihadiana ao Pakistana)  noho ny fampiasana ilay lalàna ho fisorohana ny heloka bevava elektronika. Nolaniana tamin'ny taona 2016, manameloka karazana soritra sotasota anaty aterneto ilay lalàna (izay soritany ho toy ny “fifanakalozana tsy mendrika”) kanefa koa manome ho an'ny manampahefana Pakistane misahana ny fifandraisandavitra, ny fahefana hanaisotra ireo resaka sasantsasany tsy ho ao anaty aterneto raha heverina fa ilaina izany “ho  tombotsoan'i Silamo, na ny maha-iray tsy mivaky, ny filaminany na ny fiarovana an'i Pakistana.”

Ilay Nizeriana mpanao gazety, Jaafar Jaafar, dia nandeha niafina taorian'ny naharaisany fandrahonana ho faty imbetsaka ny tapaky ny volana Oktobra rehefa nizara lahatsary manaporofo fa nanao kolikoly nandray 5 tapitrisa dolara amerikana avy amin'ireo mpampiasa vola tsy miankina ny governora iray tao an-toerana.

Tsy hita popoka ny 2 Oktobra 2018 ilay Arabo Saodiana mpanao gazety, Jamal Khashoggi. Nanantona ny Ambasady Saodiana tao Istanbola i Khashoggi mba haka ireo taratasy ilaina amin'ny fanambadiany ary iny dia tsy niverina intsony. Ny 31 Oktobra, nanao fanambarana ofisialy ny mpampanoa lalàna jeneraly tao Istanbola fa nisy nanakenda i Khashoggi rehefa niditra ho ao amin'ny Ambasady, ary nosamantsamahan'ireo manampahefana Saodiana ny vatany avy eo. Mpanao matoandahatsoratra ao amin'ny Washington Post i Jamal Khashoggi, izay tonian-dahatsoratry ny Al Watantalohan'io, iray amin'ireo filazambaovao tena mpanohana ny fiovàna ao amin'ny fanjakana.

Herintaona izao no nahafatesan'ilay mpanao gazety maltezy Daphne Caruana Galizia. Fantatra kokoa amin'ilay blaogy mpamoaka vaovao tsy miankina Running Commentary, i Caruana Galizia no voalohany namoaka ilay vaovaon'ny fidiran'ireo politisiana maltezy tamin'ilay raharaha Panama Papers ny volana Aprily 2016. Namoy ny aina tanaty fiara voafandrika baomba i Caruana Galizia ny 16 Oktobra 2017. Nilaza moa ireo mpankafy azy fa tsy “natao tamin'ny fomba tsy miangatra sy tsy mitanila ny fanadihadiana” momba ny nahafatesany ary mbola manohy mitaky ny hivoahan'ny marina amin'ny raharaha momba azy.

Ny alin'ny andron'ny fifidianana, nanao izay hampihenàna ny fidirana anaty filazambaovao sosialy sy ny tolotra ara-pifandraisana amin'ny finday ireo mpanome tolotra aterineto tao Kamerona.Tsy vaovao ao Kamerona izany, firenena izay nizaka fahatapahana aterneto mihoatra ny 230 andro ireo faritra miteny anglisy nanomboka ny taona 2016.

Lafo loatra ny fahazoana aterineto. Ny tatitra Affordability Report farany navoakan'ny World Wide Web Foundation no nanambara fa tsy tratry ny fahefa-mividin'ny sarabambem-bahoaka ny aterineto any amin'ny 60 %-n'ireo firenena. Ny volana Novambra, hamoaka tatitra vaovao ny Web Foundation hampisehoany fa tena vetivety dia mihena be ny tahan'ny fandraisana ny aterneto erantany (izany hoe ny isan'ireo olona sambany vao miditra voalohany) — 19% ny taona 2007 ary lasa 6% fotsiny ny taona 2017.

Fikarohana Vaovao

 

Misoratà Anarana hahazo ny Tatitry ny Mpisera

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.