- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torohevitra isankerinandro mikasika ny Fanoratana: OTR / TOR!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lohahevitra mahavariana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2015)

Tao anatin'ny andiany farany [1], noresahako ny momba ny CryptoCat, izay ahafahana miantoka seha-piresahana anaty vondrona mihelina sy tsara aro any anatin'ireny “plug-in” ampiasain'ny fitety ireny. Androany aho te-hanome fampidirana fohy momba ny OTR, na hafatra tsy ofisialy, izay nanofanana ny sasany tamin'ireo mpandray anjara tamin'ny vovonana.

DigiGes_PRISM01 [2]

Eny, mahavita isika – hetsipanoherana ilay fandaharanasa fanarahamaso PRISM, tao amin'ny Checkpoint Charlie

Ambaratongan-drafitra [3] iray ny OTR, izay ahafahan'ny olona roa mampiasa ny sasany amin'ireo ambaratongan-drafitra fifampiresahana (toy ny Gchats na XMPP) mba hiresahana anaty fahatoniana sy fahazoana antoka tanteraka ary amin'ny fomba voaafina. Ny tena fahasamihafana fototra, tsy ara-teknika, eo amin'ny CryptoCat sy ny OTR dia ny OTR ahafahana manafina anaty fonosana dieny any am-piaingàna ka hatrany am-parany, [4] ka ao anatin'izany ny olona tsirairay dia samy manana ny fanalahidiny manokana.

ANDRIAMANITRA O! SAHIRANA NY SAIKO.

Mifoka rivotra tsara aloha. Aleo izaho no hanomboka indray. Ny antony mety tianao hampiasàna ny OTR dia izy mamela anao ho afaka mifampiresaka amin'olona izay ianao sy ilay olona irery ihany no afaka mahita azy. Ny fanaovana azy anaty fonosana miafina dia midika fa tsy afaka hopaingorin'ireo masoivohom-panjakana, mpijirika,na mpifanandrina aminao ilay resaka. Ny fanalahidy fanamarinana [5] dia manampy sosona hafa ho fiarovana, satria io no miantoka ny fahafahanao miaro hoe tena ilay olona milaza ny tenany sy ifampiresahanao tokoa no izy, fa tsy olona hafa misandoka ny maripamantarana azy.

Ok, heveriko fa azoko ny amin'iny. Noho izany, ahoana no fomba hampiasako OTR ?

Misy natao ho an'ny Mac, sy ireo mpampiasa Windows ny OTR. Misy koa ny atao aho an'ny finday Android.

Voapetrako àry ny Adium/Pidgin/ChatSecure. Dia inona no manaraka?

Voalohany indrindra, fidio aloha izay seha-piresahana ho ampiasainao.* Raha efa mampiasa sahady ny Gchat ianao, izay no fomba mora indrindra hanombohana haingana sy hianarana azy, na azonao atao ny mamorona kaonty Jabber iray (andramo ny Dukgo [9] na jereo ity lisitra ity [10])

Iangaviana ianao hamaky ireo torolàlana omen'ny rohy eo ambony (na ireo torolàlana ao amin'ny Security in a Box [11]!) mba hahazoana tsara ny fomba fampiasàna ireo fitaovana ireo. Raha tsy mahay na inona na inona ianao avy amin'ireo torolàlana, ampahafantaro ahy mba hahafahako mitsabo izany. Avy eo, vantany vao vonona inaao…

NDAO HANDRAMANTSIKA ILAY IZY! Angataho ny namanao hametraka iray amin'ireo izay voalaza teo aloha, ary miresaha amin-dry zareo mba hanaovana ny andrana.

*Indrisy, lasa masiaka i Google fa nobahanany ireo mpampiasa Gchat tsy ho afaka miresaka amim-pahatoniana amin'ireo hafa mampiasa ambaratongan-drafitra hafa. Midika io fa afaka ataonao ny manana fifampiresahana tsara aro sy voaafina amin'ny Gchat-mankamin'ny-Gchat, na iray miresaka aminà roa ao amin'ny Jabber, saingy tsy mety ny Gchat-mankamin'ny-Jabber na  Facebook-mankamin'ny-Jabber.