18 Jona 2019

Tantara tamin'ny 18 Jona 2019

Nozaraiko ankehitriny ilay tsiambarateloko kely

Blaogim-Piarahamonina GV  18 Jona 2019

Mitovy amin'ny fialam-boly ny fandikanteny ho an'ny Global Voices ho ahy, midika  ho toy ny mandeha any amin'ny toerana hafa eto amin'izao tontolo izao ny lahatsoratra tsirairay izay nadikako ary toy ny misotro kafe miaraka amin'ny bilaogera vaovao.

Translator Newsletter: Fiteny very, ankizy mpandika teny sy ny maro hafa!

Blaogim-Piarahamonina GV  18 Jona 2019

Amin'ny maha zanaky ny mpifindra monina lehibe tao New York City, lehibe tamin'ny fandikan-teny ho an'ny ray aman-dreniko sy ny raibe sy renibeko aho (ary mbola manao izany andraikitra izany indraindray amin'izao fotoana izao). Saingy inona koa no momba ny andraikitra amin'ny maha mpitari-dalana ny ray aman-dreny ao amin'ny tranon'izy ireo vaovao?

Zarao ny fahatsiarovanao an'i Muhammad Ali

Blaogim-Piarahamonina GV  18 Jona 2019

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2016) “Maty i Muhammad Ali?” Nitraka ny vadiko Kamran raha nahita ny vaovao teo anoloany. “Maherifo izy ho ahy . Toy ny andriamanitra izy. “ Mety tsy hita ao amin'ny media sosialy maneho ny alahelony ny taranaky ny olona nifanerasera tamin'i Mumammad Ali, saingy mahatsiaro...

Tovovavy mpikatroka avy ao Kyrgyzstan sy ny Global Voices

Blaogim-Piarahamonina GV  18 Jona 2019

Taorian'izany rehetra izany dia nanomboka niasa niaraka tamin'ny Global Voices izahay ary nanohana anay izy ireo, noho izany nisy ny bilaogy namoahanay ny tantaran'ireo vehivavy avy any Kyrgyzstan rehetra any, mba hampisehoana ny tena zava-misy iainan'ny zazavavy ary mba hahatonga anay hahatsapa ho matanjaka kokoa!

Sekoly Serba momba ny asa fanaovan-gazety antserasera

Rising Voices  18 Jona 2019

Natsangan'ilay Serba bilaogera menavazana sady mpankafy mediam-bahoaka, Ljubisa Bojic tao Belgrade, manangona ireo manam-pahaizana momba ny mediam-baovao ao an-toerana tahaka an'i Danica Radovanovic sy Lidija Kujundzic ny Sekoly Serba momba ny Asa Fanaovan-gazety Antserasera mba hampianatra ireo fototry ny fampitam-baovaon'olon-tsotra amin'ireo mpanao gazety nentim-paharazana sy ny Serba sarambabem-bahoaka.