- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Feno dimy taona ny Global Voices Aymara!

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, Fankalazana

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Septambra 2014)

Nankalaza ny fahadimy taonany ny Global Voices Aymara. Ny 17 Septambra 2009 ny fandikan-teny nataon'izy ireo voalohany [1]. Nizara ity hafatra fiarahabana ity ho an'ny vondrom-piarahamonina ny mpikambana ao amin'ny ekipa. Nihaona tamin'ny asabotsy 20 Septambra 2014 ny ekipa mpikambana ao amin'ny Global Voices Aymara mba handaminana ny taona sisa sy handefasana ity hafatra ity ho an'ny mpilatsaka an-tsitrapo sy ny mpamaky ho fankasitrahana ny faha dimy taonany!

Manendry an'i Catalina Restrepo [2] sy Juliana Rincón [3] aho ho an'ny Fanamby GV .