- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Onjam-peom-piarahamonina ho an'izao tontolo izao avy ao Amazonia Ekoadaoreana

Sokajy: Mediam-bahoaka, amazonia, Rising Voices

Vaovao farany momba ny nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices

Participantes del taller del proyecto “Shuar, Achuar, Kichwa: nuestras historias, nuestro idioma en la web”. Photo por Wambra Radio.

Mpandray anjara amin'ny tetikasa “Shuar, Achuar, Kichwa: Ny tantaranay amin'ny tranonkala amin'ny fiteninay.” Sary avy amin'i Wambra Radio.

Nosoratan'i Roberto Chávez, Wambra Radio

Natao tao an-tanànan'i Macas, ao amin'ny faritanin'i Ekoadaoro ao Santiago Morona izay tafiditra amin'ny tetikasa ” Shuar, Achuar, Kichwa: Ny tantaranay, ny fiteninay ao amin'ny Aterineto” tamin'ny 21-22 Novambra 2014 ny atrikasa fampiofanana faharoa momba ny fananganana tranonkala ho an'ny radiom-paritra ao amin'ny faritra atsimo-afovoan'i Amazôna ao Ekoadaoro.

Notanterahina tao amin'ny foiben'ny Radio Voices ao amin'ny NAE an'ny Vahoaka Achuar ao Ekoadaoro, nandray anjara avokoa ireo tompon'andraikitry ny fifandraisana sy ny tompon'andraikitry ny fifandraisana amin'ny vahoaka avy ao amin'ny median'ny fiarahamonina avy amin'ny Shuar, Achuar, ary Kichwa Amazoniana. Ny tanjon'ny atrikasa dia ny hanome fitaovana maimaim-poana, hampiditra votoaty ary hanangana tranonkala amin'ny fomba fandraisana anjara ho an'ny tetikasa median-dry zareo tsirairay avy.

Nanome tsikaritra anaty momba ny filàna fampahalalam-baovao sy ny teknolojiam-pifandraisana ho an'ny vahoaka indizeny sy ny zom-pirenena maro ity atrikasa ity ary koa ny fomba ahafahan'izy ireo manampy ao amin'ny asan'ny onjam-peon'ny fiarahamonina iasan-dry zareo, manamafy ny fanandrata-teny sy ny fifandraisana ara-piarahamonina.

Nanoratra lahatsoratra bilaogy mizara ny traikefan'izy ireo tao amin'ny atrikasa ny radio tsirairay. Azo jerena ao amin'ny tranonkalan'izy ireo izany lahatsoratra izany:

Radios la Voz de las Cascadas [1]:

El día de hoy viernes 21 de noviembre del 2014, se inició la capacitación a comunicadores de las tres radio comunitarios de morona Santiago, Radio Arutam, Cascada y NAE, acto que se realizó a las 10:00 AM en las instalaciones de la Radio NAE en la ciudad de Macas con importantes capacitadores de colectivo el churo

Esperamos que este taller sea un éxito, para mejorar la calidad de información y seguir con la difusión de contenidos adecuados y responsables, como también dar informaciones las actividades realizadas desde las bases comunitarias para dar a conocer al país y el mundo entero.

Ny Zoma 21 Novambra 2014, nanomboka tamin'ny 10 ora maraina tao amin'ny foiben'ny Radio NAE tao an-tanànan'i Macas, notarihin'ireo mpampiofana ao amin'ny vondrona Churo ny fampiofanana ireo mpanao gazetim-piarahamonina avy amin'ny onjam-peon'ny fiarahamonina ao Morona Santiago: Radio Arutam, Cascada ary NAE.

Manantena izahay fa ho fahombiazana ity atrikasa ity mba hanatsarana ny kalitaon'ny fampahalalam-baovao sy hanohizana ny famoahana votoaty manan-danja sy tompon'andraikitra, ary hanomezana vaovao momba ny hetsika avy eny ifotony mba hizarana izany amin'ny firenena sy izao tontolo izao.

Radios la Voz de la NAE [2]:

Hoy viernes 21 de Noviembre del 2014 se inicia taller de capacitación para construcción de Página web de las radios comunitarias, con la participación de: Voz de Arutam, Voz de las Cascadas, Jatari Kichwa y Voz de La NAE más con el apoyo técnico de Churo comunicaciones, aquí en las instalaciones de nuestro medio.

En este evento los participantes han opinado que, poseer Web en cada una de las radios nos fortalecerá poder difundirlas del proceso de lucha de nuestras organizaciones, nuestra cultura, música, arte, sabiduría ancestral, canticos, cuentos, mitos, leyendas, etc…

Además cada comunicador de distintas radios comunitarias han expuesto sus inquietudes, han compartido sus experiencias. Este trabajo conjunto nos fortalece y nos anima seguir construyendo Red de medios comunitarios en Ecuador.

Androany Zoma 21 novambra 2014, manomboka amin'ny fananganana tranonkala ho an'ny onjam-peom-piarahamonina ny atrikasa fanofanana, miaraka amin'ny fandraisan'ny Voz de Arutam, Voz de las Cascadas, Jatari Kichwa ary Voz de La NAE anjara, miaraka amin'ny fanohanana ara-teknika avy amin'ny fifandraisana Churo eto ao amin'ny toeran'ny onjam-peontsika.

Nandritra ity hetsika ity, naneho ny heviny ireo mpandray anjara fa hanamafy orina antsika hanaparitaka ny dingan'ny tolona ataon'ny fikambanantsika, ny kolotsaintsika, ny mozika, ny zavakanto, ny fahendrena avy amin'ny razambe, ny hira, tantara, angano, arirarira, sns ny fananana ny tranonkalantsika manokana ho an'ny fampielezam-peo tsirairay sns …

Ankoatra izay dia samy nanolotra ny ahiahiny sy nizara ny traikefany ny tompon'andrakitry ny fifandraisana amin'ny onjam-peom-piarahamonina tsirairay avy. Manamafy antsika izany fiarahamiasa izany ary mandrisika antsika hanohy hanangana tambajotran'ny mediam-piarahamonina ao Ekoadaoro.

Radio Arutam: [3]

El dirigente de medios de comunicación de la Federación Interprovincial de Centros Shuar el señor Florencio Tupikia, convocó a comunicadores de radio Arutam un taller de capacitación sobre “ELABORACION DE PAGINAS WEB PARA RADIO ONLINE. Este taller dio inicio siendo las 10H45 a.m. en la emisora la voz de la NAE. Roberto Chávez, tutor con un saludo dio la bienvenida a todos los participantes de este evento y dijo sentirse contento por la concurrencia de los comunidades y resaltó que el compromiso es mejorar el buen uso y manejo de radio ONLINE, desde sus radios comunitarias creo eso es la visión concluyó.

Asimismo el tutor dio a conocer el horario de entrada y salida del taller, finalizando las indicaciones señalo que es importante conocer la importancia de la página web en las radios comunitarias. Concluyendo se dividió el trabajo grupal con los mismos compañeros.

Nanangona ireo tompon'andraikitry ny fifandraisana avy ao amin'ny Radio Arutam mba hanatrika ny atrikasa fampiofanana momba ny “Fananganana tranonkala ho an'ny radio antserasera” ny lehiben'ny Federasiona Iraisam-paritry ny Foibe Shuar, Atoa. Florencio Tupikia. Nanomboka tamin'ny 10.45 maraina tao amin'ny foiben'ny Radio Voz de la NAE izany atrikasa izany. Nandray ny mpandray anjara rehetra tamin'ity hetsika ity i Roberto Chavez, mpitarika ny atrikasa ary nilaza fa faly izy tamin'ny taham-pandraisan'anjara avy amin'ny vondrom-piarahamonina ary nanamafy fa ny hanatsara ny fampiasana sy ny fitantanana ny onjam-peo antserasera araka ny tokony ho izy ny fanoloran-tena sy ny vina.

Toy izany koa, nanambara ny fandaharam-potoana ny mpitarika ny atrikasa, mamarana tamin'ny famantarana ny maha-zava-dehibe ny fananana tranonkala ho an'ny radiom-piarahamonina. Ho famaranana, nizarazara ho vondron'asa miaraka amin'ny mpikambana hafa ireo mpandray anjara.

Ity sehatra fampiofanana ity dia nahafahan'ny tompon'andraikitry ny fifandraisana ara-piarahamonina avy amin'ny onjam-peo Amazoniana mba hanaisotra ny fomba fihevitra fa natao ho an'izay mahavidy azy ihany ireo teknolojia vaovao ireo, amin'ny fanomezana safidy hafa amin'ny alalan'ny fitaovana aterineto maimaim-poana.

Taorian'ny atrikasa, dia hanohy ny fanavaozana ny tranonkalany miaraka amin'ny fampahalalam-baovao, vaovao ary famokarana radio ny onjam-peo tsirairay avy, izay nahafahan'ny onjam-peon'ny fiarahamonina rehetra avy any Amazonia Atsimo-Afovoany ao Ekoadaoro ho re any ivelan'ny kaominina misy azy.