Tsidika bilaogy Kenyanina janoary 2006: fampisaintsainana vitsivitsy

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006)

Voalohany indrindra, miara-miory amin'ireo fianakavian'ny Kenyana izay maty noho ny fianjeran'ny tranobe manana rihana enina tamin'ny alatsinainy teo tany Nairobi. Araka ny nambaran'ny gazety Standard, “olona 10 farafahakeliny no voamarina fa maty. Tamin'ny 11 ora latsaka fahefany alina, 75 farafahakeliny ireo niharam-pahavoazana nesorina tao ambanin'ny korontan-trano rava feno vovoka, tao ny naratra be sy ny naratra kely.” Raha namaky ity lahatsoratra momba ny firodanan'ny tranobe ity i Acolyte, dia nanamarika ny fiafaran’ izany lahatsoratra izany hoe ” Mampalahelo tokoa. Toa tsy manatsoaka lesona tamin'ny loza voajanahary teo aloha ny olona. Voalahatra ho antsika ve ny hamerina ireny fahadisoana ireny hatrany hatrany?”

“Nandona ny gazety mahazatra” ny tontolon'ny blaogy afrikana, araka ny fanamarihan'i Kenyan Pundit, ny gazety standard namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Miasa any ivelany, monina ao an-tanindrazana momba ny tontolon'ny bilaogy Kenyana.

Some of Kenya’s best writers are people I can almost guarantee you have never heard of and probably never read.

Their writing has never been published in newspapers or books, yet their observations and commentary happen to be some of the most mordant, witty and original.

Mahasahy miantoka aho fa olona mbola tsy fahenonareo ary mbola tsy novakianareo mihitsy ny sasany amin'ireo mpanoratra mendrika indrindra ao Kenya.

Tsy mbola nivoaka tao anaty gazety na boky ny asa soratr'izy ireo; kanefa, toa anisan'ny tena manaikitra, mampihetsi-po sy orizinaly ny fomba fandinihan'izy ireo sy ny fanehoan-kevitr'izy ireo.

Nanonona manokana ny lahatsoratra “Manàna mofomamy sy mihinàna izany” ny lahatsoratry ny Standard, izay nitaoman'i M an'ireo Kenyana ny am-pielezana mba hiverina any Kenya. Niteraka fifanakalozan-kevitra maro ny hafatra ary nampiditra andiam-panadihadihana mahaliana fanafohezan-teny toy ny KT (Kenyan Tourust na Kenyana mpizahatany – miverina hanao fitsidihana ny kenyana am-pielezana) sy KR (Kenyan Roots na fototra kenyana – Kenyanina monina sy miasa amin'ny fomba Kenyana). Niteraka fanontaniana ity fifanakalozan-kevitra ity raha azo heverina ho toy ny fananganana firenena ny vola alefan'ny Kenyana any am-pielezana.Nahatonga adihevitra mafana ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo Kenyana/bilaogera am-pielezana.

Nanomboka tamin'ny filazana ny tatitra nataon'ny filoha teo aloha ho fiadiana amin'ny kolikoly any Kenya ihany koa ity herinandro ity. Niala ny asany efa ho herintaona i John Githongo, nanao fanadihadihana momba ny kolikoly izy, anisan'izany ny fahatafintohinana Anglo Leasing. Manana fomba fijery mazava momba izany i Ntwiga ao amin'ny lahatsoratra ” Bizina araka ny mahazatra ao Nairobi 3.o”. Miditra an-tsehatra ny fiolanolanana ara-tsaina amin'ny lohahevitra famariparitana an'i John Githongo ho ilay nandiso fanantenana, ary nanoritra hoe:

“… he stood up, laid down his conditions and took a job that most of us would have ran away from like we were being chased by Conjestina Achieng and actually left with his integrity and his neck in check. We complain and complain about the political elite being one and the same. Orange, Banana, KANU, DP, LDP all the same. And here is a man who was invited into the top tier of that political elite and refused to be turned. In short the kind of man we have been calling for and instead of lauding him, we label him a coward”

“…dia nitsangana izy, nametraka ny fepetrany ary naka ny asa izay handosiran'ny ankamaroantsika rehefa hazain'i Conjestina Achieng ary nandao niaraka tamin'ny fahamarinany sy nivilambava. Nitaraina isika ary mbola hitaraina amin'ireto ny sanga ara-politika izay mitovy daholo. Mitovy daholo ry laoranjy, akondro, KANU, DP, LDP. Ary indro nisy lehilahy izay nasaina ho anisan'ny tampony ao amin'io sanga politika io ka nandà ny hivadika. Raha fintinana dia ilay karazan'olona notadiavintsika ary raha tokony deraina, dia nofaritantsika ho kanosa”.

Ao anatin'izany ihany, Diary of a mad kenyan woman nidera an'i John Githongo ka niteny azy hoe: “John Githongo, miarahaba anao aho noho ny maha lehilahy anao, noho ny fanantenana izay nomenao ary ny fanomezana ny herim-ponao.”

Nandinika izay lazaintsika ho finoana aro-bala i Afrikan Eye ary nanontany hoe: “Inona no antony hananana finoana sy fitsipika ary fotokevitra raha tsy misy fiantraikany eo amin'ny fomba fiainantsika izany finoana izany?” Mbola nanampy ihany izy tao amin'io lahatsoratra io hoe” mandra-pamalintsika io fanontaniana io dia mbola hifampitifitifitra isika amin'ny hoe ahoana “ny hinoantsika ny fampandrosoana Afrikana raha hita eny amin'ny zavamisy raha ny sôkôlà nohafarana avy any Belzika no ifandroritana vidiana.

Niteny i Afrofeminista hoe “Avelao ny Kikuyu ho irery”. Anisan'ny foko lehibe indrindra ao Kenya ny Kikuyu, izay matetika mampifanolana ao amin'ny fiainana kenyana ny resa-poko (tahaka ny fanavakavaham-bolonkoditra). Nanamarika izy fa any amin'ny fanjakazakan-dehilahy no tokony ho tena iadiana, fa ao amin'io rafitra io no tena isehoan'ireo hetsika ‘mamerina amin'ny laoniny’, ‘mitaky’ ireo hevitra fanandratana ho ambony indrindra ny foko izatsy na izaroa – fitarihan-dalana ataon'ny mpitarika Kikuyu, Luo na Kalenjin. Noho izany dia manampy ady iray ambonin'ny iray hafa izay efa iadiana isika, ary tena mampalahelo izany.”

Mitahiry vaovao ara-toekarena sy hirika (opportunités) i Bankelele ary nanamarika fa “Namorona ny tahiriny manokana ny Vondrona Eoropeana mba ahafahan'izy ireo manome fanampiana ho an'i Afrika tsy manontany ny hevitry ny Banky Mondialy, izay tarihin'i mpandala nentindrazana vaovao Etazoniana Paul Wolfowitz”.

Girl in the meadow nitaraina amin'ny famerimberenana hira vitsivitsy tsy mitsahatra tao amin'ny Kiss FM tao Kenya: “Ary ny tena ratsy dia mbola tsy aloan-dry zareo ny volan'ny artista amin'izany. Inona no ratsy kokoa, ny Kiss FM sa ny jiolahy eny an-dalàna?”

Farany fa tsy ny kely indrindra, niresaka ny fomba fijery Afrikana amin'ny famadihana ho vola ny bilaogy i White African.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.