17 Jona 2019

Tantara tamin'ny 17 Jona 2019

Nazra – Tetikasa Firesahana ireo lohahevitra fady

Rising Voices  17 Jona 2019

Matetika lohahevitra voaràra any Egypta ny lohahevitra momba ny fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy, ny fahasamihafana ara-pananahana, ny fifandraisana sahaza eo amin'ny lahy sy vavy ary ireo lohahevitra mifandraika amin'izany. Maro ireo mihevitra fa tokony resahana amin'ny mangingina ireo lohahevitra ireo, raha tsy izany tsy resahana mihitsy.

Feno dimy taona ny Global Voices Aymara!

Blaogim-Piarahamonina GV  17 Jona 2019

Nihaona ny Asabotsy 20 Septambra 2014 ny ekipa mpikambana ao amin'ny Global Voices Aymara mba handaminana ny taona sisa sy handefasana ity hafatra ity ho an'ny mpilatsaka an-tsitrapo sy ny mpamaky ho fankasitrahana ny faha dimy taonany!

Onjam-peom-piarahamonina ho an'izao tontolo izao avy ao Amazonia Ekoadaoreana

Rising Voices  17 Jona 2019

Natao tao an-tanànan'i Macas, ao amin'ny faritanin'i Ekoadaoro ao Santiago Morona izay tafiditra amin'ny tetikasa " Shuar, Achuar, Kichwa: Ny tantaranay, ny fiteninay ao amin'ny Aterineto" tamin'ny 21-22 Novambra 2014 ny atrikasa fampiofanana faharoa momba ny fananganana tranonkala ho an'ny radiom-paritra ao amin'ny faritra atsimo-afovoan'i Amazôna ao Ekoadaoro.

Ary mbola sary maro kokoa… ..andiany farany!

Blaogim-Piarahamonina GV  17 Jona 2019

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Janoary 2015) Ho an'ny rehetra, indro ny andian-tsary farany ho an'ireo roa andro farany tao amin'ny Foibe Capitol – ny 24 sy 25 Janoary 2015. Ankafizo, ary raha manana olana ianao amin'ny fitrohana izany na raha mila sary manokana dia anoraty aho fa alefako any aminao...

Tsidika bilaogy Kenyanina janoary 2006: fampisaintsainana vitsivitsy

  17 Jona 2019

Mitahiry vaovao ara-toekarena sy hirika (opportunités) i Bankelele ary nanamarika fa "Namorona ny tahiriny manokana ny Vondrona Eoropeana mba ahafahan'izy ireo manome fanampiana ho an'i Afrika tsy manontany ny hevitry ny Banky Mondialy, izay tarihin'i mpandala nentindrazana vaovao Etazoniana Paul Wolfowitz".

Blaogy tantaran'i Mokattam

Rising Voices  17 Jona 2019

Tamin'ny taona 1992, nisy horohoron-tany mahery vaika namely ny tanànan'i Kairo, ka 370 no namoy ny ainy, betsaka ny maratra, ary mbola marobe ihany koa no nafindra toerana. Mponina an'arivony no nalaina sy nanomboka nipetraka tamin'ny faritra iray ao amin'ny manodidina an'i Masaken Alzelzal - Alhadba Alwosta eo akaikin'ny tendrombohitra Mokattam malaza.

Mientanentana – Sarin'ny fivoriana andro fahatelo 

Blaogim-Piarahamonina GV  17 Jona 2019

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Janoary 2015) Ho hitanao eto ny rohy amin'ny fitrohana, fampiasana, fizarana, sns ny sarin'ny fivoriana andro fahatelo. https://www.flickr.com/photos/lauraruth123/sets/72157650424874741/   (@LauraSchne) ary jereo eto ny raki-tsarin'i Jeremy (@jeremyclarke): https://www.flickr.com/photos/130737581@N07