Taratasim-pifandraisan'ny Mpandika : Hetsipanoherana, Webinars Maimaimpoana, Ary Zavatra Maro Hafa!

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2015)

gvlogo

Mirary Alatsinainy finaritra ry GV'ers!

Ho antsika rehetra izay nankalaza ny Thanksgiving, vao avy nandalo faran'ny herinandrro lava be isika nijanonana tao an-trano sy nisakafoanana mandra-pisohiakantsika. Ka inona indray no fomba tsara hahazoantsika aina hidirana anatin'ny Alatsinaintsika any am-piasàna afatsy ny firesahana momba ny

Fandikanteny & Hetsipanoherana

Screenshot from http://www.monabaker.org

Pikantsary avy amin'ny http://www.monabaker.org

Mona Baker, Mpampianatra amin'ny Fianarana Fandikanteny ao amin'ny Anjerimanontolo ao Manchester, no manolotra fidirana maimaimpoana ho antsika amin'ireo ampahany amin'ny bokiny eto! Ity ampahany manokana ity dia mifantoka amin'ny “tontolon'ny fandikàna ao anaty toekarena ara-politika tamin'ireo fotoana fanoherana ankehitriny, tamin'ny fampiasana ny revolisiona ejiptiana ho ohatra”. Raha toa tsy mampihiakiaka ny GV Lingua izy ity, dia tsy haiko intsony ny inona!

Raha tianao io vakiteny io, topazo maso ny tafatafa iray izay nifanaovany tamin'i Philip Rizk, mpanatontosa sarimihetsika sady mpanoratra monina ao Kairo, mitondra ny lohateny hoe “Firaisankina, fandikàna ary ny politika fanaovana ankilabao“.

Fianarana fiteny

Screenshot taken from http://www.transparent.com

Pikantsary nalaina avy tamin'ny http://www.transparent.com

Vao avy nanampy fiteny vaovao 30 ireo olona tsara ao amin'ny Transparent Language Online ho an'ireo mpianatra tsy miankina, ahitana ny fiteny arabo (Levantina), ny Bengali ary ny Quechua! Jereo eto io ary misorata anarana hahazo andrana maimaimpoana iray raha toa ianao liana!

Webinars mpandika ao amin'ny ProZ

Screenshot from http://www.proz.com

Pikantsary avy amin'ny http://www.proz.com

Vao vao tsara! Manomana webinars (kaonferansa atao ety anaty aterieto) maimaimpoana marobe ho an'ireo mpandikatenyny ProZ (!) Tsindriho eto mba hisoratanao anarana! Ireo lohahevitra dia miainga amin'ireo fitaovana CAT mankamin'ireo tahirintsaina fandikàna sy zavatra hafa marobe! Nomarihinay ve fa hoe maimaimpoana izy ireo?

Fiteny samihafa. Vahoaka samihafa

Screenshot from http://lithub.com/

Pikantsary avy amin'ny http://lithub.com/

Olona samihafa anatina fiteny samihafa ve isika? Mamakafaka an'ity lohahevitra ity i Ana Menéndez ao anaty lahatsoratra vao haingana teo amin'ny Literary Hub. Manoratra izy hoe, ” […] mampita ilay isika ao anatintsika lalina ao ihany koa mba hiverina amintsika ny fiteny, sahala amin'ny hoe lambampaty ireo teny ary nanome endrika ny tontolontsika anatiny. Ny fiteny, fahefana sy fanoherana io, fampiatiana sy fanilihana.” Mamakia betsaka ary lazao anay izay eritreritrao mikasika ny ‘izaho’-nao izay asehonao amin'ny alalan'ny teny iresahanao!”

——-

Tahaka ny mahazatra, misaotra anareo rehetra noho ny asanareo sy ny fahafoizantenanareo ho an”ny GV!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.