Ho Afaka Jerena Any Anaty Lohamilina Fikarohana Ny Blaogin'ny Vondrom-piarahamonina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2015)

Yes, we're open. Photo by Shawn Rossi (CC BY 2.0)

Eny, misokatra izahay. Sary an'i Shawn Rossi (CC BY 2.0)

Ry Vondrom-piarahamonina GV malala!

Nankafizinay ireo famoahan-dahatsoratra izay nataonareo teo amin'ny Blaogin'ny Vondrom-piarahamonina!

Ny Blaogin'ny Vondrom-piarahamonina, araka izay fantatrareo, dia azo idiran'ny daholobe ho an'ny olona rehetra mahafantatra ny adiresy Web ary marobe taminsika no efa nizara sahady ireo rohy mankany amin'ireo tantara ao amin'ny blaogin'ny vondrom-piarahamonina teo amin'ny Twitter, Facebook, sy ny sisa.

Na izany aza, misy masontsivana iray ao anatin'ny WordPress izay hahafahana tsy mitanisa blaogy iray amin'ireo milina fikarohana. Fony natombokay ny blaogin'ny vondrom-piarahamonina, napetrakay amin'ny laoniny ny zavatra rehetra mba tsy hipoitra any anaty fikarohana aterineto izany.

Saingy miaraka amin'ireo tantara tsara marobe eo amin'ny blaogin'ny vondrom-piarahamonina, heverinay fa tonga ny fotoana izay hanovànay ny masontsivana mba hahafahan'ny olona maro kokoa mahita sy mamaky ireo tantarantsika ary mahafantatra bebe kokoa mikasika ny fiasan'ny vondrom-piarahamonintsika sy momba ireo zavatra miraikitra ao am-pontsika sy izay eritreretintsika. Ho an'ireo rehetra amintsika izay tsy mitantana intsony blaogy manokana, ny fanaovana ny Blaogin'ny Vondrom-piarahamonina ho mora hita kokoa dia mahatonga azy io ihany koa ho toerana iray mbola sahaza hanehoana ny asantsika.

Marina ihany koa fa, satria nitombo ny tahirin'ny GV, marobe tamintsika no mampiasa Google fa tsy mampiasa ny fikarohana eo amin'ny tranonkala GV mba ahitana ny vontoaty GV.

Ary ny fahafahana mikaroka mora foana sy haingana ny blaogin'ny vondrom-piarahamonina dia manjary mbola manan-danja kokoa amin'izao isika namindra ireo torohay tao amin'ny wiki an'ny GV ho ao amin'ny Blaogin'ny Vondrom-piarahamonina izao.

Noho izany, manomboka ny 22 Jona, ny votoatin'ny blaogin'ny vondrom-piarahamonina dia azo jerena avy amin'ireo milina fikarohana toy ny Google. Misaotra hatrany amin'izay rehetra nataonareo ho an'ny GV, ary ndaho tohizantsika ny famenoana ny blaogin'ny vondrom-piarahamonina amin'ireo tantara tsara!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.