- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zavatra tsotra toy ny nofinofintsika 

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2014)

Nandika lahatsoratra marobe aho amin'ny maha-ekipa GV Espaniola mpirotsaka an-tsitrapo, kanefa mbola misy lahatsoratra iray tsaroako noho izany nisy fiantraikany goavana tamiko [1] .

Afaka mamaky ny fisaintsainan'ny vehivavy Kazakhstani isika eto  izay nandalo tamin'ny  “vady sady renim-pianakaviana ” (ny zavatra antenain'ny fiarahamoniny momba azy) mankany amin'ny “vehivavy afaka”. Nilaza izy fa manana ny nofiny manokana, tiany hihoatra ny tokotany filalaovan'ny ankizy, ny aretina, ny lakozia, ary ny arimoara ny fahalianany. Te-hijoro amin'ny mahaizy azy izy! Faniriana tsotra, nofinofy tsotra, ho an'ny maro amintsika izay mandray izany ho toy ny efa ao amintsika. Izany no nahatonga ahy hieritreritra betsaka momba ny hoe impiry isika no raikitra amin'ny fiainantsika andavanandro, amin'ny adidintsika, ary manadino tsotra fotsiny fa ny fiainana ihany koa ny momba ny tenantsika sy manatanteraka ny nofinofintsika.

Tiako ny hilaza fa fianakaviana mahafinaritra ny GV, toerana iray izay ahatsapantsika rehetra ho toy ny any an-trano, na aiza na aiza misy anao dia afaka mahita olona iray avy hatrany ianao. Miresaka izao tontolo izao ary miresaka  sy mifampihaino isika rehetra.

Indro ny folo taona mahafinaritra, fito tamin'izany no niarahako tamin'ny GV.

Mikaika an'i Diana Lungu, Laura Schneider sy Mohamed ElGohary aho.