Ho tehirizin'ny tranombokin'ny Kongresy Amerikana ny tantaran'ny Global Voices  

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2015)

"Thomas Jefferson Building Aerial by Carol M. Highsmith" by Carol M. Highsmith - Own work. Licensed under CC BY-SA 3.0 via Wikimedia Commons

Ny lapa Thomas Jefferson nalain'i Carol M. Highsmith sary avy eny ambony. Navoaka araka ny lisansa CC BY-SA 3.0 tamin'ny alàlan'ny Wikimedia Commons. Ny lapa Thomas Jefferson no lapa lehibe ao amin'ny Tranombokin'ny Kongresy.

Nanoratra ary nilaza ny Tranombokin'ny Kongresy any Washington, DC fa hampiditra ny arsivan'ny Global Voices misy ireo tantara ho anatin'ny angondrakitra maharitry ny tranomboky.

Nitahiry ireo tranonkala izay heveriny fa ilaina ho an'ireo mpikaroka nanomboka tamin'ny taona 2000 ny Tranomboky—izay mikarakara ny Kongresin'i Etazonia, saingy miasa ho tranombokim-pirenen'i Etazonia ihany koa. “Heverinay fa anisan'ny manan-danja amin'ity lahatahiry ity sy ny fandraketana ny tantara ny tranonkalanareo, “hoy izy ireo nanoratra ary nampiany hoe:

Our web archives are important because they contribute to the historical record, capturing information that could otherwise be lost. With the growing role of the web as an influential medium, records of historic events could be considered incomplete without materials that were “born digital” and never printed on paper.

Zava-dehibe ny arsivanay an-tranonkala satria mandray anjara amin'ny rakitsoratra ara-tantara izy ireo, manangona vaovao izay mety ho very. Noho ny andraikitry ny tranonkala miha-mitombo ho toy ny fampitam-baovao manan-danja dia azo heverina fa tsy ampy raha tsy misy fitaovana “teraka nomerika”  ny fandraketana ara-tantara ireo zava-nitranga ary tsy vita pirinty amin'ny taratasy mihitsy.

Mientanentana isika momba izany fivoarana izany , satria midika izany fa ho voatahiry mandrakizay ny GV ary ho azon'ny daholobe jerena ho anisan'ny angondrakitry ny Tranomboky na dia efa any aoriana ela any aza raha tsy eto intsony isika (toa hafahafa ny mieritreritra izany!).

Raha mila fanazavana fanampiny momba ny arsivan'ny tranonkala ao amin'ny Tranomboky, tsidiho ny http://www.loc.gov/webarchiving/ .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.