- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampidirana ho amin'ny Audacity mba handraketana sy hikiràna feo

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV
audicacy [1]

Audacity an'i Dong ao amin'ny flickr, nampiasàna ny (CC BY-NC-ND 2.0)

Ho an'ireo liana hamorona ny fandaharany manokana na handahatra mozika ho an'ny GV Radio, ity taridàlana [2] tsotra avy amin'ny Bokikely FLOSS ity dia afaka hanampy anareo hanomboka. Omen'ilay taridàlana ny topimaso ankapobeny momba ny fampiasàna ilay rindrambaiko maimaimpoana natao handraketana sy hikiràna feo. Azonareo trohana ato [3] ilay rindrambaiko ary afaka raisina aminà tenimpirenena maro isankarazany.