Maninona ny fandrakofana ny Black Twitter no toy ny fandrakofana ny [ampidiro ny anaran'ilay firenena]

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2015)

GVlogo_blacktwitter Noraisin'ny Los Angeles Times  hiasa ny mpanoratra iray antsoina hoe Dexter Thomas mba hanao tatitra fandrakofana ny Black Twitter sy ireo vondrom-piarahamonina hafa ety anaty tambajotra. Nantsafain'ny  Columbia Journalism Review i Thomas a anatin'ity lahatsoratra ity, izay mifantoka voalohany indrindra—ary angamba efa nampoizina ihany—amin'ny fomba hanakaikezany ny Black Twitter. Misy teboka maro ao anatin'ilay lahatsoratra izay noheveriko fa niresahan'i Thomas momba ny GV.

Ohatra iray mibaribary :

Raha raisina amin'ny ankapobeny, dia ireo vondrom-piarahamonina anaty tambajotra—sy ivelany—no mahalian ahy. Voalohany indrindra, mahaliana ahy ireo vitsy an'isa, ary heveriko fa tsy misy dikany ny fomba fandrakofana azy ireny. Matetika ireo filazambaovao mahazatra no mandray ireny vondrona ireny ho toy ny vongambato tokana tsy misy karazana na fanavahana fomba fijery ao anatin'ilay vondrona. Navadika ho toy ny sariitatra daholo ny olona.

Misy mahita hoe mahaliana ve ilay lahatsoratra? Mitombina? Tsy mahasarika? Tsy mitombina? Ny ampahany aiza ao aminy, raha misy, no mandona manokana anao?

Te-handre betsaka kokoa any anatin'ny fanehoankevitra aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.