- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-pifandraisan'ny mpandika ES-EN : Kambana mpandika, ny Lalàmpanorenana Meksikàna ary zavatra hafa maro!

Sokajy: Dika, fandikàna-gazety, Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2015)

GVlogo
Mirary Alatsinany finaritra ho an'ny tsirairay!

Manantena aho fa samy niaina faran'ny herinandro lafatra daholo isika ary tsy mahandry ery hiaina herinandro iray tsara sy mamokatra! Ary moa va misy fomba tsara hamokarana mihoatra noho ny fahazoana vaovao vitsivitsy sy mampientanentana momba ny asa fandikàna ? Lasa àry isika e! –

Torolàlana avy amin-dry Kambana mpandika! 

Screenshot taken from translationtimes.blogspot.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny  translationtimes.blogspot.com

Judy & Dagmar Jenner dia kambana manao asa fandikàna lahatsoratra sy fandikàna teny, ary manana ny fandraharahàny manokana antsoina hoe Twin Translations. Ao anatin'ity lahatsoratra am-bilaogy ity [1], entiny ho antsika ny lisitr'ireo torolàlana entina manomboka ny indostrian'ny fandikàna sy manokana adihevitra isian'ny fanehoankevitra ihany koa. Amin'ny famaliana ity tohinkevitra ity, topazo maso ary zarao ny sasany amin'ireo torohevitra tsara indrindra avy aminareo!

Lalàm-panorenana amin'ny teny roa ao Meksika

Screenshot taken from ibtimes.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny ibtimes.com

Zavamisy mahatsikaiky: Nanambara androany ny  [2]IBT fa taorian'ny taona maro nanaovana ny asa fandikàna azy, nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ho amin'ny fiteny roa ny lalàm-panorenana meksikàna, ka ankehitriny dia azo vakiana amin'ny teny Mayan ! Dingana goavana izao ho an'ny fitenin'ireo vazimba teratany, ary andro lehibe ho an'ny kolontsaina meksikàna.

Loka ProZ Community Choice

Screenshot taken from proz.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny proz.com

Vao haingana ny ProZ, iray amin'ireo sehatra midadasika indrindra ho an'ireo mpandika manao ny velontenany, no nanokatra ny fanendrena an'ireo izay hifaninana amin'ny Loka Community Choice [3] karakarainy, hankasitrahana “ireo matihanina mpikirakira ny teny izay mavitrika, inoan-teny, na miavaka anaty media samihafan'ilay indostria.” Afaka mieritreritra maro amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny GV mahafeno tsara izay famaritana izay aho , araka izany raha mahafantatra olona mavitrika ao amin'ny ProZ ianareo ary mihevitra fa tokony homena azy ilay Loka Community Choice, tendreo ry zareo eto [4]! (Fanamarihana: efa vita izy ity ary tamin'ny 18 Aogositra 2015 ny fetra farany nandraisana ny fandrotsahana anarana)

Fitadiavana mpiasa mahay tenim-pirenena maro.

Screenshot taken from philly.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny philly.com

Tsy ela akory izay ny Philadelphia Inquirer dia namoaka lahatsoratra iray miaraka amin'ireo tatitra momba ny fitadiavana mpiasa mpandika tao Etazonia — ary toa nandeha tsara ny zavatra rehetra! Ny indostrian'ny fandikàna no “sehatr'asa fahadimy miroborobo haingana indrindra ao amin'ny firenena” ary ireo matihanina dia manoro hevitra hoe arakaraky ny anananao fahalalàna teknika, no mahalafolafo kokoa ny karama raisinao. Vakio misimisy kokoa ato [5]!