- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny taona 2014 sy ny GV

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Lahatsoratra voalohany

(Lahatsoratra tamin'ny volana Oktobra 2014)

Olon-tsotra mipetraka ao amin'ny Saikinosy Yucatan aho, any amin'ny faritra be mponina any Merida raha ny marimarina kokoa. Nihaona tamin'ny Global Voices aho tamin'ny taona 2014 tamin'ny alàlan'ny vondrom-piarahamonin'ny mpikatroka monina any Yucatan. Izy ireo no nizara ny pejiko, ny antsoko ary nitondra anay hanolotra sosokevitra. Nahagaga ny zava-nitranga nanomboka teo. Nahatonga anay hanontany tena matotra momba ny fahafahanay manova ny tena zava-misy izay atrehanay isan'andro ny fahafantarana vondron'olona avy amin'ny firenena samihafa izay nanangana fandalinana momba ny tontolo iainana. Ary efa vonona avokoa ny fitaovana mba hahafahanay manangana fampitam-baovao hanampiana amin'ny fananganana ny fomba fijery mandinika tsaraa ary nanosika anay hanao izany ny vondrom-piarahamonina GV. Iainanay ihany koa ny zavatra niainan'izy ireo .