- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Annalisa Merelli: Ahoana no nahitako ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2014)

Tamin'ny taona 2006 aho no nihaona tamin'ny Global Voices voalohany. Tamin'izay fotoana izay, nanoratra ho an'ny bilaogy nifantoka tamin'ny olana mahaliana ara-tsosialy aho izay tsy navoakan'ny fampitam-baovao mahazatra, ary vetivety ny Global Voices dia lasa iray amin'ireo loharanon'ny aingam-panahy, rohy, hevitra ankafiziko .

Taona maromaro taty aoriana, tamin'ny taona 2012, rehefa nandao an'i India sy ny famoahana izay niasako tany an-toerana (theindiatube.com, izay naoriko, sy Motherland) aho dia naniry ny hampiasa ny fahaizako amin'ny maha-mpanoratra sy toniandahatsoratra hirotsahana an-tsitrapo, ary nifandray tamin'ny Global Voices aho mba hijereko izay afaka hanampiako azy ireo .

Tena nahatalanjona izany zavatra niainako izany. Nahavariana ahy mandrakariva ny hafanam-pon'ny vondrom-piarahamonina sy ny habetsahan'ny asa ataon'ny olona ao amin'izany. Tombony manokana ho ahy ny maha tonia, ary tena mirehareha tokoa aho fa anisan'ny fianakaviamben'ny Global Voices—eny fa na amin'ny maha-mpanangom-baovao aza, matetika aho no mifandray amin'ny tambajotra mba hifandraisana, hitady olona sy hitady hevitra.