- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Doaa Farid Farah AbdelSayed, ilay mpampiantrano ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang tamin'ny 5-11 Jona

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Teny afrikana sy Dizitaly-digiafricanlang, Rising Voices

Sary natolotr'i Doaa Farid Farah AbdelSayed

Amin'izao taona 2019 izao izay ao anatin'ny fanentanana media sosialy hankalazana ny fimaroam- [1]piteny an-tserasera [1], dia hifandimby ireo mpikatroka mpanandra-teny Afrikana sy mpisolovava hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang, [2] hizara ny zava-niainan-dry zareo amin'ny fanomezana aina indray sy fampiroboroboana ny fiteny Afrikana. Ity lahatsoratra fampahafantarana ity izao hiresaka momba an'i Doaa Farid Farah AbdelSayed ao amin'ny tetikasa Nubian Voices (@TheNubianVoices [3]) sy izay kasainy horesahana mandritra ity herinandro ity amin'ny maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices: Mba lazao anay ny momba anao.

I am a Nubian Egyptian journalist living in Cairo. I launched an initiative in July 2018 called “The Nubian Voices”. The initiative aims to give Nubians an opportunity to speak up, because Nubians are underreported in mainstream media. We focus on the Nubian Language and efforts to keep it. We feature all Nubian projects, startups and organizations that keep conversations about Nubia going.

Mpanao gazety Egyptiana Nobiana monina any Kairo aho. Nanomboka ny hetsika antsoina hoe “Ny Feo Nobiana” aho tamin'ny volana Jolay 2018. Mikendry ny hanomezana varavarana midanadana ho an'ireo Nubian hiteny mafy, satria tsy mba voatatitra amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ireo Nobiana. Mifantoka amin'ny fiteny Nobiana sy ny ezaka hitazonana izany izahay. Manasongadina ny tetikasa Nobiana rehetra, ny fanombohana ary ny fikambanana izay mitazona ny resaka momba an'i Nubia izahay.

RV: Manao ahoana ny fiteninareo amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto amin'izao fotoana?

The Nubian Language has long been neglected in Egypt. There are no official efforts to document the language or its letters so it is subject to disappear. The only way for young Nubians to learn the Nubian language is verbally through the old generation because they would find no book to go back to. However, there has been some good efforts in that recently through blogs and mobile-based applications to document and save the language.

Efa ela no hadinodino ny fiteny Nubian tao Egypta. Tsy misy ezaka ofisialy handraketana ilay fiteny sy ny haisorany ka mety hanjavona izany. Am-bava amin'ny alàlan'ny taranaka zokiolona no hany fomba ho an'ireo tanora Nubiana hianarana ny fiteny Nubian satria tsy hahita boky izy ireo hiverenana hijerena izany. Na izany aza, efa nisy ny ezaka miabo momba izany vao haingana tao amin'ireo bilaogy sy ny fampiharana amin'ny finday mba handraketana sy hanavotana ilay fiteny.

RV: Lohahevitra tahaka ny ahoana no kasainao ifantohana mandritra ny herinandro itantananao ny kaonty Twitter @NativeLangsTech?

I am planning to focus on the efforts to preserve the Nubian Language and protect it from disappearing. The Language used to be written and read, but majority of Nubians don't know how to do that because there is no practice. We don't want that to happen with the spoken language.

Mikasa ny hifantoka amin'ny ezaka hitehirizana ny Fiteny Nubian aho ary hiaro azy tsy ho very. Nampiasaina hanoratana sy hamakiana ilay fiteny teo aloha, saingy tsy mahafantatra ny fomba hanaovana izany ny ankamaroan'ny Nubians satria tsy misy ny fampiharana. Tsy tianay hitranga amin'ny fiteny fampiasa izany.

RV: Inona ny tena mahatonga anao havitrika nomerika ho amin'ny fiteninao? Inona ny fanantenanao sy ny nofinofinao ho amin'ny fiteninareo?

My main motivation is to create an online platform where all Nubian projects and we initiatives will be gathered in one place. The platform will have a separate interactive section for the Nubian Language. This section can be the start of a physical book teaching the Nubian Language.

Ny hamorona ny sehatra an-tserasera izay hanangonana ny tetikasa Nubian sy ny hetsika rehetra amin'ny toerana iray no tena antony nanosika ahy. Ahitana fizarana fifanakalozan-kevitra samihafa amin'ny Fiteny Nubian ny sehatra. Mety hiatomboka amin'ny fisian'ny boky hampianarana ny fiteny Nubian ity fizarana ity.