- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Tsy efa fotoana ve tokony hihaonantsika anaty fitoviana ?”

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

(Fanamarihana: lahatsoratra alemàna nivoaka tamin'ny Septambra 2015)

Wann werden wir wohl endlich aufhören, Afrika als armen hilfsbedürftigen Empfänger und uns (Europa oder „den Westen“) als gönnerhaften Geber darzustellen? Warum werden deutsche Jugendliche als handlungsfähig dargestellt, während afrikanische Jugendliche als handlungsunfähige Opfer ihrer Lebenswirklichkeit gezeigt werden? […] Ist es nicht an der Zeit, dass wir Schülerinnen und Schülern die Möglichkeit bieten, Schülerinnen und Schülern in Afrika auf Augenhöhe zu begegnen?

Rahoviana isika vao tsy handoko intsony an'i Afrika ho mahantra, mila fanampiana sy hilaza ny tenantsika (Eoropa na “ny Andrefana”)  ho toy ny malala-tànana mpitondra fanampiana? Fa maninona ireo Alemàna tanora no faritana ho afaka mihetsika, raha ireo Afrikàna tanora kosa jerena ho toy ny niharamboina noho ny manodidina azy ireo ka tsy mahavita na inona na inona? […] Tsy fotoana ve izao hanolorantsika ireo ankizy mpianatra [avy ao Afrika sy Alemaina] ny fahafahana manararaotra hihaona anaty fitoviana?

Io no fanontaniana napetrak'i Katrin Zinoun [1], toniandahatsoratry ny Global Voices no sady mpanoratra miasa tena, mpandika lahatsoratra ary mpanao velakevitra, tao anaty lahatsoratra am-bilaogy [2] iray tany amin'ny faramparan'ny volana Jona.

Nanodidina ny “Dein Tag für Afrika [3]” (Ny andro omenao an'i Afrika) ny fanontaniany, fanentanana iray isantaona  karakarain'ny ONG Alemana Aktion Tagwerk [4] manerana ny firenena. Amina andro iray, mandeha miasa ireo ankizy mpianatra mandray anjara amin'izany, fa tsy mandeha any an-tsekoly, ary manolotra ny karama kely azony  ho an'ireo tetikasam-panabeazana any amin'ireo firenena Afrikàna. Araka ny ambaran'ireo mpikarakara [5], ankizy 181.000 avy amina sekoly 618 no nandray anjara ho an'ny taona 2015.

Rehefa alalinina ilay lahatsary fanentanana [6],  lazain'i Katrin fa vao mainka manamafy ireo fitsaratsarampoana ilay izy raha nantenaina mba hampisaintsaina momba azy ireny.  Tsy hita fototra akory aza ny fampitan-kafatra, ary ilay fanentanana tsy nanome akory fahafahana mametraka tambajotra iarahana amin'ireo tanora ao Afrika, raha ny hitany.

Miaraka amin'ìreo fanamarihana ireo, ampiahatsiahivinì'i Katrin antsika ny iraka tontosain'ny [7] Global Voices‘ . Matetika isika no manoratra momba ireo olona izay atao an-jorombala, saingy diso ny finoantsika hoe afaka miteny amin'ny toeran'izy ireny isika. Ny tokony atao, mihaona amin'izy ireny amim-pitiavana sy fahatsorana, mihaino an-dry zareo ary mamela azy ireny hilaza ny tantarany manokana sy hametraka ny fandaharam-potoanany manokanaAorian'izay monja ity “fitaovam-pifandraisana maoderina” ity, raha ny marina, vao afaka hitàna anjara toerana goavana, araka izay iantsoan'ny Aktion Tagwerk [8] an'ilay fanentanana [8],