- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zavatra tena iainana amin'ny vanim-potoana nomerika

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices


Jereo amin'ny sarintany lehibe kokoa ny Nomad Green [1]

Fampidirana:

Manondro ny tenany [2] ho “toeram-pizahantany manaraka” any Shina ny tanànan'i Shenyang [3], renivohitry ny faritany Liaoning [4]. Saingy raha mitsidika ireo pagôdy (karazana tempoly) fahiny ao amin'ny Tanàna Fahiny [5] na ny “Faritra Fampandrosoana ny Indostrian'ny Teknolojia Avo Lenta [6]” ianao, dia tsy holazain'ny takelaka ho an'ny mpizahatany mihitsy ireo mpivaro-tena lehilahy sy vehivavy izay avy amin'ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra mahantra mikaroka fidanadanana an-tanandehibe. Amin'ny fiarahamiasa amin'ny Foibe Ai Zhi Yuan Zhu ho an'ny Fahasalamana sy ny Fanabeazana, [7] hampiofanin'i Wei Zhang, mpamokatra horonantsary fanadihadiana, ireo mpivaro-tena lahy sy vavy mpandalo ao amin'ny foibe AZYZ, amin'ny fomba hitazonana ny bilaogy sy ny fomba fampidirana horonantsary fanadihadiana fohy mba hizarana ny zavatra iainan-dry zareo, ny hevitr'izy ireo sy ny olana mba hampiroboroboana ny fahatakarana bebe kokoa momba ireo mpivaro-tena ao amin'ny faritra.

Lahatsoratra farany momba ny “Real Experience of the Digital Era”

Fampahalalana:

Bilaogy mandray anjara:

Ho avy tsy ho ela!