- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chariboan Joi

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Nueva Betania, Yarinacocha, Però – Nanatevin-daharana ny Rising Voices tamin'ny taona 2014

OjiruPucallpa

Ny Fetiben'ny filazana tantara nomanina ho an'ny vondrom-piarahamonina Nueva Betania any ambanivohitr'i Yarinacocha ao Ucayali, Però  [1]no ho fanombohana ity tetikasa ity. Miaraka amin'ny fanohanana avy amin'ny Arkana Alliance, mitrandraka ny fomba fampiasana finday mba hitantarana ny hetsika sy hanampy amin'ny fandraketana ireo angano sy tantara zarain'ireo mpanakanto eo an-toerana amin'ny fitenin-drazana Shipibo [2] sy nadika tamin'ny fiteny hafa ireo mpitati-vaovao nofanina vao haingana avy ao amin'ny Fikambanan'ny Tanora Tompotany ao amin'ny Faritra Ucayali (OJIRU).

Nanomboka teo, mamorona tantara nomerika momba ny fiarahamonin'izy ireo mifantoka amin'ny fiarovana ny fomban-drazana ara-kolontsaina sy ny fiteny ireo olon-tsotra mpitati-baovao, ary mandinika ny fiantraikan'ny fikatrohana be ao amin'ny tontolo iainana manodidina. Amin'ny fananganana fiarahamiasa amin'ny radio eo an-toerana sy mampiasa teknika fanapariahana hafa, toy ny fanamafisam-peo eny amin'ny sehatra ankalamanjana, dia afaka hipaka any amin'ireo tsy manana aterineto ireo olon-tsotra mpitati-baovao.

Jereo amin'ny tranonkala izy ireo:

[9]
[10]

Documenting Elder Storytelling at the Shipibo Chariboan Joi Cultural Festival [10]

26 Desambra 2014
[11]

Preparing for the Chariboan Joi Cultural Festival Festival in Shipibo Communities [11]

17 Novambra 2014