- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Enga anie ny fahatsiarovana an'i Gershom hitoetra ato anatin'ireto hazo dimy ireto

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Desambra 2015)
Gershom_memory_trees

Nanomana ny fambolena hazo miisa dimy izahay tany Afrika Atsimo ho fahatsiarovana an'i Gershom ho mariky ny firaisam-ponay lalina aminy [1].

Enga anie ny fanahin'i Gershom hitoetra ao amin'ireo ravina sy ny sampan'ireo hazo ireo, ny rivotra mitsoka azy ireo ary ireo olona izay omeny alokaloka sy sakafo.

Momba ny faritra hambolena ny hazo:

This is an impoverished area, windblown and covered mainly by sand. Described fairly accurately as the ‘dumping ground of apartheid’ it
was here that thousands of ‘non-white’ households were forced to move as a result of the Group Areas Act, and today it is home to over a
million people who manage to eke out an existence in a combination of townships and informal settlements. Many households are reeling
from the effects of high unemployment and HIV/AIDS. The school has applied for trees to increase the aesthetic appeal of the area and
provide shade for the learners to sit under. They were delighted to hear that they would be receiving your gift of life.

Faritra mahantra ity toerana ity, ahitana ny rivotra mitsoka ary rakotry ny fasika amin'ny ankapobeny. Nosoritana ho toy ny ‘toerana hitobian'ny fanavakavaham-bolonkoditra’ izy, teto no nisy ireo fianakaviana an'arivony tsy fotsy hoditra noterena hifindra monina vokatry ny Lalànan'ireo Faritra ho an'ny Vondron'olona, ​​ary ankehitriny dia fonenan'ny olona an-tapitrisany mahery izany izay miady ho amin'ny fiainana tao amin'ny tanàna sy fonenana tsy ara-dalàna. Fianakaviana maro no miady amin'ny fiantraikan'ny tsy fananan'asa sy ny VIH/SIDA. Nangataka hazo mba hampitomboana ny hatsaran'ny faritra ety ivelany sy hanomezana alokaloka ho an'ireo mpianatra mipetraka eo ambaniny ny sekoly. Faly izy ireo nahare fa hahazo ny fanomezanao amin'ny fiainana.

Raha te hahafantatra bebe kokoa momba izany, jereo ity PDF [2] ity .