Ny lahatsoratro GV voalohany

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Desambra 2014)

Mpanoratra mahaleo tena aho. Matetika aho no manoratra ao amin'ny tambajotra sosialy toy ny momba ny tontolo iainana, ny zon'olombelona, ny fiarahamonim-poko sns …. Matetika aho no manome vaovao farany momba ny lahatsoratro ao amin'ny tambajotra sosialy. Indray mandeha nisy namana nilaza tamiko hoa, ‘maninona ianao no tsy manoratra ho an'ny GV’.

Raha ny marina dia tsy mbola nandre momba ny GV mihitsy aho teo aloha, nitsidika ny tranokalan'ny GV aho aloha noho izany ary tsapako fa ilay tiako hosoratana mihitsy no ataon'ny GV. Afaka mahita olona maro tahaka ahy aho ato ary tena mahafinaritra ahy izany.

Noho izany, nanao fangatahana ho mpandray anjara amin'ny teny Hindi aho ary nanoratra ny lahatsoratra voalohany. Momba ny Radio Sangharsh no lahatsoratra voalohany izay fitaovana fampahalalam-baovao ho an'ny foko ao amin'ny vondrom-piarahamonina. Tsara ery ny mahita ny fampitam-baovaon'ny vondrom-piarahamonina (fampahalalam-baovaon'olo-tsotra) eo amin'ny sehatry ny median'ny vondrom-piarahamonina.

Manantena aho fa hitombo hatrany ny GV ary hampiseho amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ny fomba hanoratana ny tantaran'ny olona iray.

Miala tsiny amin'ny tsy fahaizako teny Anglisy loatra.

Mirary ny soa indrindra

Avinash Kumar Chanchal

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.