Dizha Kieru


Jereo Dizha Kieru amin'ny saritany lehibe kokoa

Dizha Kieru (“Feonay” amin'ny fiteny Zapotec) dia onjam-peom-pokonolona ao an-tananan'ny Zapotec zanatany Talea de Castro izay miorina ao amin'ny tendrombohitra Juarez ao Oaxaca, Meksika. Manana tambajotra finday GSM amin'ny vidiny mirary ho an'ireo mponina miisa 2500 eo ho eo ny tanàna. Ny onjam-peo, miaraka amin'ny fikambanana Rhizomatica,  dia hampiofana ny mponina ao an-toerana mba ho mpanangom-baovao amin'ny alalan'ny tatitra manokana ataon'olona iray na amin'ny alalan'ny fanangonana SMS na antso an-tariby avy amin'ny olom-pirenena. ny ekipa Dizha Kieru, izay mitantana ny onjam-peo amin'ny radio sy ny toby GSM no hanangona, hanambatra, hamolavola, ary handefa ny tatitra an-tserasera amin'ny mponina indroa isan'andro amin'ny alàlan'ny SMS ary mandefa amin'ny aterineto ho an'ireo mpifindra monina monina any ivelany amin'ny alàlan'ny Twitter. Ny tambajotram-piarahamonina finday no hanampy amin'ny fampihenana ny fandaniana amin'ny endrika fanangonana sy fizarana vaovao, ary afaka manampy amin'ny fanamafisana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo mpiara-monina sy ny any ampielezana.

Torohay:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.