- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bhutan

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices


Jereo amin'ny sarintany akaiky kokoa i Bhutan [1]

Fonenan'ny iray amin'ireo firenena demaokraty faran'izay tanora indrindra eran'izao tontolo izao i Bhutan, raha nanao tetezamita niala avy amin'ny fitondram-panjaka tsirefesimandidy ho amin'ny fitondram-panjaka araka ny lalampanorenana izy tamin'ny taona 2008. Hatramin'izay fotoana izay, fikambanana maro toy ny Centre for Media and Democracy [2] niorina tao an-drenivohitra Thimpu no nandray anjara tamin'ny fanampiana ny olom-pirenena handray anjara mavitrika amin'ny fiarahamonina vaovao. Tamin'ny fametrahana ny Media Club eo an-toerana ny CMD nanome atrikasa fampitan'olontsotra vaovao ho an'ireo tanora manana ny taonan'ny hiditra kolejy izay manome azy ireo fidanadanana hampiakatra ny feony ao anatin'ny adihevitra nasionaly sy resaka mifandraika amin'ireo fanovana demaokratika. Miaraka amin'ity tetikasa vaovao ity, kinasan'ny CMD ny hanitatra ny làlan-kizorany amin'ny alàlan'ny famoahana atrikasa fandraketam-peo ho an'ireo vondrom-piarahamonina Samtse, Trongsa, Kanglung, ary Paro. Ny ankamaroan'ny votoatin'ireo tanora mpandraki-peo antserasera ireo dia hifantoka amin'ny fifidianam-pirenena faharoa ary hozaraina amin'ny aterineto sy amin'ny onjam-peo eo an-toerana.

Torohay: