Ny vondrona Nomad Green


Tsindrio raha hijery sarintany Nomad Green lehibe kokoa

Fampidirana:

Nihaona tao Ulaanbaatar, renivohitr'i Mongolia ny manampahefanan'ny tontolo iainana manerana an'i Azia avaratra atsinanana hiresaka fikorontanan'ny toetrandro sy ny fomba hanatsarana ny fahombiazan'ny angovo ao amin'ny faritra. Toerana mety tsara hanaovana fivoriana ny renivohitr'i Mongolia satria niharatsy ny fahasimban'ny tontolo iainana tao amin'ny firenena noho ny fanamboaran-tanàna haingana, ny fitomboan'ny indostria, ary ny fampiasana saribao tsy misy fiafarany. Matetika voarakotra zavotsetroka matevina maloto i Ulaanbaatar.

Mandrahona ny fiveloman'ireo foko Mongoliana mpifindrafindra toerana ny haintany avy amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ary vao avy nantsoina ho karazam-biby antilopa atahorana ho lany tamingana any Azia ny antilopa saiga ao amin'ny firenena. Ao anatin'ny vaovao ratsy be dia be i Portnoy Zheng, miara-miasa amin'ny Orina Mongoliana sy Tibetana Mpanasoa sy ny Antoko Maitso Mongoliana no hampiofana ny olom-pirenena Mongoliana mikasika ny fomba fanentanana ny olona – na ao an-toerana na any ivelany – mikasika ny olana momba ny tontolo iainan'ny fireneny. Ny tanjon'ny Nomad Green dia: ny hampiofana olon-tsotra mpanao gazety mikasika ny fomba fampiasana bilaogy, lahatsary nomerika, fandraketam-peo, sy sarintany mashup mba hitaterana vaovao momba ny tontolo iainana, 2.) mamorona tambajotra sy vondrom-piarahamonin'ireo mpiaro ny tontolo iainana mizara sy mampiely vaovao momba ireo fandrahonana, vahaolana ary fanararaotana misy ary 3.) mandika votoaty amin'ny teny Shinoa sy Anglisy mba hampiroboroboana ny fiarahamiasa ara-paritra sy iraisam-pirenena amin'ny fiatrehana ny olan'ny tontolo iainana ao Mongolia.

Ireo lahatsoratra farany momba ny Nomad Green

Torohay:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.