[Bilaogera Arabo 14] Iza moa i Dina El Hawary avy ao amin'ny Meedan?

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Febroary 2014)

Dina El Hawary avy amin'ny fikambanana Meedan no mpandray anjara iray hafa niresaka taminay tany amin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo tany Amman Jordania. Iray amin'ireo tetikasa izay niarahany niasa ny Checkdesk, izay hetsika iray natao hampiroboroboana ny fanamarinana iaraha-miasa ho an'ny mpanao gazety sy ireo olon-tsotra tia mampita vaovao. Indro misy lahatsary fohy manazava ny fomba fiasan'ilay sehatra:

Singa manan-danja ao amin'ny tetikasa Checkdesk ny fananganana fiaraha-miasa miaraka amin'ireo fikambanana eo an-toerana sy ireo toeram-pampianarana, izay nampiantrano ny fahafahana miofana amin'ny fampiasana ny sehatra. Ao anatin'ity rakipeo fanadihadiana fohy ity, i Dina manome ny topi-maso momba ilay tetikasa sy ny fomba niarahany niasa tamin'ireo mpiara-miasa tao amin'ny faritra any Ejipta, Palestina, Syria, Libanona ary Jordania:

Azonao atao ny manaraka an'i Dina ao amin'ny Twitter ao amin'ny @DinaHawary ary manaraka ny tetikasa ao amin'ny @Checkdesk.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.